Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana ireo vehivavy masina nitondra ny zava-manitra efa namboariny, ary hitany fa efa voakodia lavidavitry ny fasana ny vato, ka niditra izy ireo, fa tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tompo. Mbola very hevitra noho izany eo izy ireo, dia indro nisy olona roa lahy niseho teo akaikiny, nitafy fitafiana mamirapiratra. Dia natahotra izy ireo ka niondrika, fa nilazan’iretsy hoe: "Nahoana no aty amin’ny maty no itadiavanareo izay velona? Tsy eto Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny nolazainy taminareo fony Izy mbola tany Galilea hoe: Tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona sy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo". Izay vao tsaroany ny tenin’i Jesoa, ka tafaverina avy tany amin’ny fasana izy ireo dia nilaza izany rehetra izany tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany rehetra: dia i Maria Madelenina sy i Joana ary i Maria renin’i Jakôba izany, ary ny vehivavy hafa niaraka taminy koa dia samy nilaza izany tamin’ny Apôstôly. Fa nataony ho arirarira foana ny tenin’izy ireo ka tsy ninoany. I Piera kosa anefa dia nitsangana nihazakazaka nankany amin’ny fasana, ary niondrika izy, fa ny lambam-paty ihany no hitany tao ka lasa nody, gaga foana noho ny zava-niseho tao.
Tamin’izany andro izany, niara-nisakafo tamin’ny mpianany i Jesoa; ary nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava Izy nanao hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo." Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy. Ary ny anankiray tamin’izy ireo, ilay tian’i Jesoa, no teo anilany niankina tamin’ny tratrany, ka nanatsika azy i Piera nanao taminy hoe: "Iza ilay lazainy izay?" Dia naraikany tamin’ny tratran’i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy: "Iza moa izany, Tompoko?" Ary hoy i Jesoa hoe: "Izay hotolorako sombi-mofo natsoboka tamin’ny ro no izy." Dia natsobony ny mofo ka natolony an’i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna. Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo i Jodasy Iskariôta dia nidiran’ny demony, ka hoy i Jesoa taminy: "Ataovy haingana izay ataonao." Tsy nisy nahalala izay anton’ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana; fa noho i Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no nolazain’i Jesoa taminy: "Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra." Vao nandray ilay sombi-mofo i Jodasy dia nivoaka niaraka tamin’izay. Efa alina ny andro tamin’izany. Nony efa nivoaka izy, dia hoy i Jesoa: "Nomem-boninahitra izao ny Zanak’Olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy. Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny tenany sy hanome voninahitra Azy faingana. Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe: ‘Izay alehako tsy azonareo aleha’ no lazaiko aminareo koa ankehitriny." Hoy i Simôna Piera taminy: "Ho aiza Ianao, Tompoko?" Dia hoy i Jesoa: "Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka Ahy ianao." Ary hoy i Piera taminy: "Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Hafoiko ho Anao hatramin’ny aiko aza." Fa hoy i Jesoa: "Hafoinao ho Ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao."
(M = Mpitantara ; V = Vahoaka; J = Jesoa)
M. Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana i Jesoa sy ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy Izy tamin’ireo:
J. Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo Aho alohan’ny hijaliako, fa lazaiko anareo fa tsy mba hihinana azy intsony Aho mandra-pahatanterany any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
M. Dia nandray ny Kalisy Izy ka nisaotra, ary nanao hoe:
J. Raiso ity, ka zarao aminareo; fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry voaloboka intsony Aho mandrapahatongan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
M. Raha efa izany, dia nandray mofo Izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe:
J. Vatako ity, izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana Ahy.
M. Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy Izy:
J. Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako izay alatsaka ho anareo. Kanefa indro ny tanan’izay mamadika Ahy efa mby eto amiko eto ambony latabatra. Raha ny Zanak’olona, dia mandeha araka ny lahatra; fa mila loza izay hamadika Azy.
M. Dia nifanontany ny mpianatra hoe: iza re no dia hahavita izany amin’izy ireo? Ary velona koa ny ady hevitra tamin’izy ireo momba ny hahalalana izay lehibe indrindra amin’izy ireo, ka hoy i Jesoa taminy:
J. Amin’ny Jentily ny mpanjaka no mizaka azy rehetra, ary izay mandidy azy no atao hoe mpanasoa; fa aminareo kosa tsy mba toy izany, fa aoka izay lehibe aminareo no ho toy ny zandry, ary izay manam-pahefana no ho toy ny mpanompo. Fa iza moa no lehibebe kokoa, ny mihinana amin’ny latabatra va sa ny manompo? Moa tsy izay mihinana amin’ny latabatra va? Ary Izaho anefa eto aminareo dia toy ny mpanompo. Ianareo moa, naharitra nanaraka Ahy tamin’izay nanjo Ahy, Izaho kosa hanamboatra fanjakana ho anareo, tahaka ny nanamboaran’ny Raiko Fanjakana ho Ahy, mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin’ny latabatro any amin’ny Fanjakako, ary hipetrahanareo amin’ny seza fiandrianana, hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
M. Ary hoy ny Tompo:
J. Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororoka anareo tahaka ny vary, fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.
M. Ary hoy i Piera taminy:
V. Vonon-kanaraka Anao Aho, Tompoko, na ho ao an-tranomaizina, na ho any amin’ny fahafatesana aza.
M. Fa hoy i Jesoa:
J. Lazaiko aminao, ry Piera, fa mbola tsy haneno akoho anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
M. Ary hoy kosa Izy tamin’ny mpianany:
J. Raha naniraka anareo tsy hitondra kitampom-bola na kitampom-batsy na kiraro Aho, moa orin-javatra va ianareo?
M. Hoy izy ireo:
V. Tsy orin’inona na inona izahay.
M. Dia hoy Izy taminy:
J. Fa amin’izao kosa, izay manan-kitampom-bola aoka hitondra azy; toy izany koa izay manan-kitampom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra aoka hivarotra ny akanjony ka hividy iray, fa lazaiko aminareo fa ity teny voasoratra ity koa tsy maintsy ho tanteraka amiko, dia ilay hoe: Natao lasitra iray amin’ny ratsy fanahy Izy; fa efa ho tapitra daholo ny amiko.
M. Dia hoy izy ireo:
V. Tompoko, indreto misy sabatra roa. Dia hoy i Jesoa taminy:
J. Ampy izay.
M. Dia nivoaka nankany an-tendrombohitra araka ny fanaony Izy, ka nanaraka Azy koa ny mpianany. Nony tonga tany Izy dia nanao tamin’izy ireo hoe:
J. Mivavaha mba tsy ho azon’ny fakàm-panahy ianareo.
M. Dia nihataka tamin’izy ireo tokony ho tra-toraka Izy ka nandohalika, dia nivavaka nanao hoe:
J. Raiko! Raha sitrakao, halaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitra-ponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny Ahy.
M. Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray avy tany an-danitra niseho taminy sy nankahery Azy. Dia voan’ny fiadiana aina Izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa. Ary nanjary toy ny ra ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin’ny tany. Nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ny mpianany ka nahita azy natory noho ny alahelo, ary nilaza taminy hoe:
J. Nahoana no natory ianareo? Mifohaza ka mivavaha mba tsy ho azon’ny fakàm-panahy ianareo.
M. Raha mbola niteny Izy, dia indro nisy andian’olona maromaro nitranga, ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy no loha lalana, ary nanatona an’i Jesoa ilay io mba hanoroka Azy. Ary hoy i Jesoa taminy:
J. Ry Jodasy, dia fanorohana lahy no amadihanao ny Zanak’olona?
M. Nony hitan-dry zareo teo amin’i Jesoa izay hanjo, dia hoy izy taminy:
V. Tompoko, mba hamely amin’ny sabatra va izahay?
M. Dia nasian’ny anankiray taminy tokoa ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny ankavanana. Fa hoy Jesoa:
J. Aoka izay.
M. Dia nanendry ny sofin-dralehilahy Izy, ka nahasitrana azy. Ary hoy i Jesoa tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpandraharaha amin’ny Tempoly ary ny loholona izay tonga teo handray Azy:
J. Mova tsy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo, mitondra sabatra sy langilangy! Teo aminareo isan’andro tao an-Tempoly Aho, nefa tsy nikasi-tanana Ahy akory ianareo; fa izao tonga ny fotoanareo sy ny herin’ny maizina.
M. Dia nisambotra Azy izy ireo ka nitondra Azy tany an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona; i Piera izany nanaraka teny lavidavitra teny ihany. Ary nampirehitra afo teo afovoan’ny tokotany ny olona, dia nipetraka nanodidina, ka mba niara-nipetraka taminy teo koa i Piera. Nisy ankizy vavy anankiray kosa nahita azy nipetraka tao akaikin’ny afo, ka nijery azy, dia nanao hoe:
V. Ity koa niaraka taminy.
M. Fa nandà i Piera nanao hoe:
V. Ravehivavy, tsy mahalala Azy akory aho.
M. Nony afaka kelikely dia nisy lehilahy anankiray koa nahita azy ka nanao hoe:
V. Ianao koa lahy naman’irony olona irony.
M. Fa hoy i Piera:
V. Ry sakaiza, tsy nàmany akory aho.
M. Ora iray taorian’izany, dia nisy hafa nilaza tamim-pitokiana hoe:
V. Tena marina raha tsy nàmany koa ralehilahy ity, satria Galileanina izy.
M. Dia hoy i Piera.
V. Ry sakaiza, tsy fantatro izay lazainao.
M. Niaraka tamin’izay raha mbola niteny izy, dia naneno ny akoho. Ary nitodika nijery an’i Piera ny Tompo, ka tsaroan’i Piera ilay tenin’ny Tompo nanao hoe: Alohan’ny maneno akoho anio, handà Ahy intelo ianao; dia nivoaka tany ivelany izy ka nitomany fatratra. Dia nataon’ireo olona nitana Azy fihomehezana i Jesoa sady nokapohiny, notampenany ny masony, notehafiny ny Tavany, dia hoy izy taminy:
V. Vinanio hoe izay namely Anao?
M. Ary maro ny teny ratsy hafa nanaratsiany Azy. Nony vao maraina ny andro, dia nivory ny loholona sy ny lohandohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka nentiny tao amin’ny Sanedrîna i Jesoa, ary hoy ireo taminy:
V. Raha Ianao no i Kristy, dia lazao aminay.
M. Fa hoy Izy taminy:
J. Na hilaza aminareo aza Aho, tsy hinoanareo akory; ary raha hanontany anareo aza Aho, tsy hovalianareo na halefanareo akory. Fa hatramin’izao ny Zanak’olona dia hipetraka eo ankavanan’ny herin’Andriamanitra.
M. Dia hoy izy rehetra:
V. Zanak’Andriamanitra izany Ianao?
M. Ary hoy Izy taminy:
J. Voalazanareo: Izy Aho.
M. Ka hoy izy ireo:
V. Inona indray no ilàntsika vavolombelona? Tenantsika no nandre tamin’ny vavany.
M. Tamin’izay dia nitsangana izy rehetra ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty.
Eto no manomboka ny vakinteny fohy.
M. Nitsangana ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty, ary niampanga Azy toy izao:
V. Azonay nampiodina ny firenenay ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Sezara, ary nilaza ny Tenany ho Kristy Mpanjaka.
M. Dia nanontany Azy i Pilaty nanao hoe:
V. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao? Ka novaliany hoe:
J. Voalazanao.
M. Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka:
V. Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.
M. Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe:
V. Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.
M. Nony nandre ny teny hoe Galilea i Pilaty, dia nanontany raha olona avy any Galilea Izy, ka nony fantany fa hoe avy any amin’ny tany fehezin’i Herôda Izy, dia nampanateriny tany amin’i Herôda, izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany. Faly dia faly i Herôda nony nahita an’i Jesoa, fa efa ela no naniriany hahita Azy, noho ny fandrenesany Azy efa maresaka ery, sady nanantena izy fa hahita Azy hanao fahagagana. Nanao fanontaniana maro taminy izy, fa tsy namaly na inona na inona kosa i Jesoa. Eo izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby ery niampanga Azy. Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray. Tamin’izay andro izay dia tonga nisakaiza tery i Herôda sy i Pilaty efa nifandrafy teo iny. Nasain’i Pilaty novorîna ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpifehy ny vahoaka, dia nilazany hoe:
V. Nentinareo taty io Lehilahy io, fa hoe mandrendri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina Azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin’izay iampanganareo Azy. Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho aty amintsika izy, ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty. Koa hofaiziko Izy, dia halefako.
M. Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an’ny vahoaka rahateo izy amin’ny andro fety. Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe:
V. Vonoy io, fa i Barabasy no alefaso ho anay.
M. I Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy. Dia mbola niteny ihany i Pilaty, fa te handefa an’i Jesoa; nefa niantso mafy ny vahoaka nanao hoe:
V. Fantsiho! fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!
M. Fa niteny tamin’izy ireo fanintelony indray i Pilaty nanao hoe:
V. Inona àry no ratsy nataony? Tsy hitako izay heloka tokony hahafaty azy; koa hofaiziko Izy, dia halefako.
M. Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka. Dia nasain’i Pilaty natao izay nangatahiny; ilay notadiaviny ho afaka sy natao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy vonoana olona moa nalefany, ary i Jesoa kosa natolony hanaovany izay sitra-pony. Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa. Nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy sy vehivavy koa, izay nandon-tratra nitomany Azy. Fa nitodika azy ireo i Jesoa nanao hoe:
J. Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio, fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: "Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana". Amin’izay ny olona vao hilaza amin’ny tendrombohitra hoe: "Mianjerà aminay", sy amin’ny havoana hoe: "Saròny izahay"; fa raha toy izany no ataony amin’ny hazo lena, hatao ahoana amin’ny maina?
M. Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa, nentin’ny miaramila, hiara-kovonoina amin’i Jesoa. Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy sy ireo mpangalatra ireo; ny iray moa teo ankavanany, ary ny iray kosa teo ankaviany. Dia hoy i Jesoa:
J. Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.
M. Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany. Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
V. Namonjy ny sasany Izy, ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy.
M. Ny miaramila koa naneso Azy nanatona nanolotra vinaingitra Azy, ary nanao hoe:
V. Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao.
M. Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY. Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
V. Raha Ianao no Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay.
M. Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe:
V. Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika, fa ny Azy kosa, tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.
M. Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
V. Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao.
M. Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
J. Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.
M. Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany, fa nihamaizina ny masoandro; ary rovitra nisasaka roa ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe:
J. Raiko! apetrako eo an-tananao ny fanahiko.
M. Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.
(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)
M. Rehefa nahita ny zavatra niseho teo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamanitra, ka nanao hoe:
V. Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io.
M. Ny vahoaka rehetra vory teo mba hijery koa, nony nandinika ny zava-niseho, dia lasa niverina nandondòna ny tratrany. Fa ny olom-pantatr’i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra ombàn’ireo vehivavy nanaraka Azy avy tany Galilea ka samy nijery izany.
M. Ary nisy lehilahy tsara fanahy sady marina anankiray atao hoe Jôsefa izay anisan’ny Sanedrîna tsy mba nisy neken’izy io na ny hevi-dratsin’ny sasany na ny nataon’izy ireo; avy any Arimatia tanànan’i Jodea izy, ary mba nanantena ny Fanjakan’Andriamanitra koa. Nanatona an’i Pilaty izy ka nangataka ny vatan’i Jesoa. Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny lamba, ary naleviny tao amin’ny fasana anankiray nolavahana tamin’ny vato, sy tsy mbola nandevenana olona. Andro fiomanana tamin’izay andro izay, sady efa hiantomboka ny sabata. Ary ny vehivavy nanaraka an’i Jesoa avy tany Galilea dia niaraka tamin’i Jôsefa koa, ka nijery ny tao am-pasana sy izay fomba fametrahana ny vatan’i Jesoa. Rehefa niverina avy any izy ireo, dia namboatra zava-manitra sy menaka manitra; fa nony sabata ny andro dia nitsahatra araka ny Lalàna izy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny Jody hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy." Dia hoy ny Jody: "Fantatray amin’izao fa manana demony Ianao; i Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa Ianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao Anao ho iza re Ianao e?" Dia hoy i Jesoa: "Raha manome voninahi-tena Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra Ahy. Tsy fantatrareo anefa Izy; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa: fa fantatro Izy, ary mitandrina ny teniny Aho. Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly." Dia hoy ny Jody taminy: "Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita an’i Abrahama?" Hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fony mbola tsy àry i Abrahama, dia efa Izaho Aho." Tamin’izay dia naka vato izy ireo hitorahana Azy; fa niery i Jesoa ka nivoaka ny tempoly.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety an’i Galilea fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty Azy ny Jody. Ary efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay. Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina. Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: "Moa tsy Izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina? Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io, ka no tsy misy sahy miteny Azy akory ? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no i Kristy ? Ny niavian’Izy io anefa fantatsika; fa ny hiavian’i Kristy kosa tsy misy hahalala rahefa tonga Izy." Dia niantso àry i Jesoa tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly ka nanao hoe: "Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako. Nefa tsy tonga ho Ahy Aho, fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo. Izaho no mahalala Azy, satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy."
Tamin’izay dia nisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia, izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roa lahy teo aminy. Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa: "Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra aty, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia"; tsy fantany anefa izay nolazainy. Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telo lahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: "Ity no Zanako malalako, henoy Izy". Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza tamin’izany andro izany izay zavatra hitany teo.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ny ondry moa hataony eo ankavanany, ary ny osy kosa eo ankaviany. Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo an-kavanany hoe: ‘Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana Aho, nomenareo hanina; nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, notafianareo; narary Aho, novangianareo; tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo.’ Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroina? Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafianay? Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay?’ Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko. Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe: ‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny demony sy ny anjeliny. Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, tsy notafianareo; narary Aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo.’ Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy Anao izahay?’ Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa.’ Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay."
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. Dia hoy ny devoly taminy: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io". Fa hoy i Jesoa taminy: "Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra".
Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, ary hoy izy taminy: "Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy". Fa izao no navalin’i Jesoa azy: "Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao".
Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny, ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao". Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra hoe: "Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao". Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.
Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany hoe: "Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao? Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao. Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany."
Tamin’izany andro izany, nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: "Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo, fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any." Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
Tamin’izany andro izany: Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony. Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy?" Ary izao no navaliny azy ireo: "Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?" Dia hoy Izy: "Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy." Fa hoy kosa i Jesoa: "Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona." Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira. Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo."
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco