Tamin’izany andro izany, nisy olona iray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?" Ary hoy Izy tamin’ny olona: "Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany". Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe: "Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: ‘Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity?’ Dia hoy izy: ‘Izao lahy no ndeha hataoko, horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rehefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanambe’. Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: ‘Ry adala, anio alina ihany dia halana aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorînao?’ Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao: rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?" Eny, hoy izy ireo taminy.

Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: "Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny." Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. "Inona no irinao?" hoy i Jesoa taminy. Dia hoy izy: "Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny fanjakanao." Dia hoy ny famalin’i Jesoa: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?" Hoy ireo taminy: "Efanay ihany." Ary hoy Izy taminy: "Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy." Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa no aoka ho mpanomponareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny toerana iray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: "Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany". Ary hoy Izy taminy: "Raha mivavaka ianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny Fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay".

Dia hoy indray koa Izy taminy: "Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho’. Lazaiko marina aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohaina. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohaina. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?"

Tamin’izany andro izany, ny Tompo nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa tamin’ny mpianany, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna hidiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny Fanjakan’Andriamanitra".

"Fa amin’izay tanàna hidiranareo koa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo fa amin’izany andro izany, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma, noho ny ho amin’izany tanàna izany".

Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: "Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao", Dia hoy i Jesoa taminy: "Nahita an’i Satana nilatsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio".

Tamin’izany andro izany, nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe: "Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy. Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra. Ary ny barîka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barîka, ka ny divay raraka, ary ny barîka simba; fa ny barîka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory. Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: "Tompoko, vonjeo izahay, fa maty." Ary hoy i Jesoa taminy: "Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?" Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: "Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?"

Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy, ka nandefa iraka hialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: "Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?" Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: "Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery ny olona fa hamonjy azy". Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo. Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany". Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa: "Manaraha Ahy". Dia izao no navalin’io: "Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra". Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa, hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay? ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? moa tsy efa nanao fahagagana tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany."

Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany, satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe: "Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an’efitra isika izao". Fa hoy Izy taminy: "Omeonareo hanina izy". Dia namaly ireo nanao hoe: "Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin’ireo vahoaka be ireo". Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona". Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin’izay, noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin’ny mpianany, mba harosony eo anoloan’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izy; na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy."

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...