Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mijangajanga?’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary efa voalaza koa hoe: ‘Na iza na iza hisaotra ny vadiny, aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay manambady ny voasaotra dia mijangajanga."
Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay. Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony ny fahoriany rahefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao. Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo. Amin’izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’ny mpianany, ary niteny tamin’izy ireo nanao hoe: "Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torîna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany. Ary Izaho kosa haniraka aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; fa mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony". Dia nentiny nivoaka ny tanàna hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tanany Izy, ka nitso-drano azy. Raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra. Iretsy kosa, rehefa avy nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, ary tao anatin’ny Tempoly mandrakaniva izy ireo, nidera sy nisaotra an’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho aty aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny tenako aminy Aho." Ary i Jodasy, tsy ilay Iskariota, nanao taminy hoe: "Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?" Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankeo aminy izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo."
Tamin’izany andro izany, nony efa nivoaka ny trano fihinanana i Jodasy, dia hoy i Jesoa: "Nomem-boninahitra izao ny Zanak’olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy. Ary raha Andriamanitra no nomem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny Tenany sy hanome voninahitra Azy faingana. Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia".
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe: "Izaho no Mpiandry ondry tsara". Ary dia niteny koa Izy nanao hoe: "Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, omeko ny fiainana mandrakizay izy, ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Ny Raiko Izay nanome an’ireo dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka, eo an-tanan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany".
Tamin’izany andro izany, dia nifanditra ny Jody nanao hoe: "Hataon’Ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?" Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry ny mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana itý mofo itý kosa dia ho velona mandrakizay." Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray, teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady, ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo: "Handeha hanarato aho". Fa hoy ireo taminy: "Handeha hiaraka aminao koa izahay". Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manan-kanina va ianareo, anaka?" Dia hoy ny navaliny Azy: "Tsia". Hoy Izy tamin’izy ireo: "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo". Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: "Ny Tompo io". Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny, ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: "Itondray ny hazandrano vao azonareo". Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Avia hisakafo". Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: "Iza moa Ianao?" Satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy.
Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?" Ka hoy ny navaliny azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao". Izy no nilaza izany, dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: "Manaraha Ahy".
(M = Mpitantara ; V = Vahoaka ; J = Jesoa)
M. Nitsangana ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty, ary niampanga Azy toy izao:
V. Azonay nampiodina ny firenenay ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Sezara, ary nilaza ny Tenany ho Kristy Mpanjaka.
M. Dia nanontany Azy i Pilaty nanao hoe:
V. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao? Ka novaliany hoe:
J. Voalazanao.
M. Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka:
V. Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.
M. Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe:
V. Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.
M. Nony nandre ny teny hoe Galilea i Pilaty, dia nanontany raha olona avy any Galilea Izy, ka nony fantany fa hoe avy any amin’ny tany fehezin’i Herôda Izy, dia nampanateriny tany amin’i Herôda, izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany. Faly dia faly i Herôda nony nahita an’i Jesoa, fa efa ela no naniriany hahita Azy, noho ny fandrenesany Azy efa maresaka ery, sady nanantena izy fa hahita Azy hanao fahagagana. Nanao fanontaniana maro taminy izy, fa tsy namaly na inona na inona kosa i Jesoa. Eo izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby ery niampanga Azy. Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray. Tamin’izay andro izay dia tonga nisakaiza tery i Herôda sy i Pilaty efa nifandrafy teo iny. Nasain’i Pilaty novorîna ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpifehy ny vahoaka, dia nilazany hoe:
V. Nentinareo taty io Lehilahy io, fa hoe mandrendri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina Azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin’izay iampanganareo Azy. Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho aty amintsika izy, ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty. Koa hofaiziko Izy, dia halefako.
M. Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an’ny vahoaka rahateo izy amin’ny andro fety. Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe:
V. Vonoy io, fa i Barabasy no alefaso ho anay.
M. I Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy. Dia mbola niteny ihany i Pilaty, fa te handefa an’i Jesoa; nefa niantso mafy ny vahoaka nanao hoe:
V. Fantsiho! fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!
M. Fa niteny tamin’izy ireo fanintelony indray i Pilaty nanao hoe:
V. Inona àry no ratsy nataony? Tsy hitako izay heloka tokony hahafaty azy; koa hofaiziko Izy, dia halefako.
M. Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka. Dia nasain’i Pilaty natao izay nangatahiny; ilay notadiaviny ho afaka sy natao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy vonoana olona moa nalefany, ary i Jesoa kosa natolony hanaovany izay sitra-pony. Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa. Nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy sy vehivavy koa, izay nandon-tratra nitomany Azy. Fa nitodika azy ireo i Jesoa nanao hoe:
J. Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio, fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: "Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana". Amin’izay ny olona vao hilaza amin’ny tendrombohitra hoe: "Mianjerà aminay", sy amin’ny havoana hoe: "Saròny izahay"; fa raha toy izany no ataony amin’ny hazo lena, hatao ahoana amin’ny maina?
M. Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa, nentin’ny miaramila, hiara-kovonoina amin’i Jesoa. Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy sy ireo mpangalatra ireo; ny iray moa teo ankavanany, ary ny iray kosa teo ankaviany. Dia hoy i Jesoa:
J. Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.
M. Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany. Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
V. Namonjy ny sasany Izy, ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy.
M. Ny miaramila koa naneso Azy nanatona nanolotra vinaingitra Azy, ary nanao hoe:
V. Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao.
M. Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY. Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
V. Raha Ianao no Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay.
M. Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe:
V. Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika, fa ny Azy kosa, tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.
M. Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
V. Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao.
M. Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
J. Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.
M. Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany, fa nihamaizina ny masoandro; ary rovitra nisasaka roa ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe:
J. Raiko! apetrako eo an-tananao ny fanahiko.
M. Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.
(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)
M. Rehefa nahita ny zavatra niseho teo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamanitra, ka nanao hoe:
V. Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io.
M. Ny vahoaka rehetra vory teo mba hijery koa, nony nandinika ny zava-niseho, dia lasa niverina nandondòna ny tratrany. Fa ny olom-pantatr’i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra ombàn’ireo vehivavy nanaraka Azy avy tany Galilea ka samy nijery izany.
Nony hariva ny andro, taorian’ny fampitomboana ny mofo, dia nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianatr’i Jesoa, ka niondrana tamin’ny sambo kely ary nita ny ranomasina ho any Kafarnaôma. Efa alina ny andro tamin’izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa, ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra. Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra. Fa hoy Izy taminy: "Izaho ihany fa aza matahotra." Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco