Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Hosamborina ianareo, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo. Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe: "Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana." Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: "Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?" Ka hoy i Jesoa hoe: "Tandremo sao ho voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: ‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’, fa aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany." Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: "Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana, hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra. Dia nahita mpitondra tena anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy, ka nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an’Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin’ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany."
Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Jesoa i Pilaty nanao hoe: "Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?" Jesoa namaly hoe: "Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa nilaza Ahy taminao?" Dia namaly i Pilaty nanao hoe: "Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?" Jesoa namaly hoe: "Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako; fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako". Dia hoy i Pilaty taminy: "Koa Mpanjaka izany Ianao?" Ary novalian’i Jesoa hoe: "Efa voalazanao: Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko".
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy."
Dia hoy i Jesoa taminy: "Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina; fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona. Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’ Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona."
Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao." Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.
Tamin’izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra." Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy; fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.
Tamin’izany andro izany, nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe: "Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý, fa efa akaiky an’i Jerosalema Izy, ary nataon’ny olona fa ny fanjakan’Andriamanitra hiseho miaraka amin’izay, ka hoy Izy: "Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina. Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe: ‘Ampitomboy ireny mandrapiveriko.’ Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: ‘Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.’
Nony nahazo fanjakana izy, ka tafaverina, dia nampaka ny mpanompo nomeny vola mba hahitany izay tombony azony avy. Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: ‘Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray.’ Ary hoy izy taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hifehy tanàna folo ianao.’ Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe: ‘Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray.’ Ary hoy izy taminy: ‘Hifehy tanàna dimy koa ianao.’ Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: ‘Tompoko, indro ny minanao, fa notahiriziko tao anaty lamba; satria natahotra anao aho, noho ianao lehilahy sarotiny ka maka izay tsy napetrakao sy mijinja izay tsy nafafinao.’ Dia hoy ilay mpanjaka taminy: ‘Azoko amin’ny vavanao ianao, ry mpanompo ratsy fanahy; fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko; koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho?’ Dia izao no nataony tamin’izay teo: ‘Alao ny minany eny aminy ka omeo an’ilay manana folo.’ Fa hoy ireo taminy: ‘Tompoko, efa manana mina folo izy.’ ‘Lazaiko aminareo fa izay manana no homena; fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin’izay ananany aza. Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý, ka vonoy eto anatrehako.’" Rahefa niteny izany i Jesoa, dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa, rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna. Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake, lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena, nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona, satria fohy izy. Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana Azy, fa eo no handalovany. Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: "Ry Zake, midina haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio." Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana. Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: "Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy." Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe: "Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy." Dia hoy i Jesoa taminy: "Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona."
Tamin’izany andro izany, nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe: "Inona izany?" Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo. Dia niantso izy nanao hoe: "Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko." Noraran’izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko e!" Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe: "Inona no tianao hataoko aminao?" Ary hoy izy: "Mba hahiratra aho, Tompoko." Dia hoy i Jesoa taminy: "Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao." Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe; "Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra. Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: "Tany amin’ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: ‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy itý mpitondratena itý, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.’ Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona, moa mba hahita finoana etý ambonin’ny tany Izy?"
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco