Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:
"Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany: "Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‘Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao’. Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakam-po hoe: ‘Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity. Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rehefa esorina amin’ny raharahako aho’. Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’. Namaly io hoe: ‘Diloilo injaton’ny barika’. Dia hoy ny mpitandrina taminy: ‘Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo’. Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’. Namaly kosa io hoe: ‘Vary injaton’ny famarana’. Dia hoy ilay mpitandrina: ‘Raiso ny taratasinao dia soraty valopolo’. Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina, satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana. Ka hoy Aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo".
"Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo".
Gaga ny ray aman-drenin'i Jesoa noho izany voalaza momba azy izany. I Simeôna kosa nitsodrano azy ireo, sady hoy izy tamin'i Maria reniny : "Indro ity Zaza ity fa ho fandavoana sy ho fanarenana ho an'ny maro amin'i Israely, ary ho famantarana ifanoherana : (ka ny fanahinao aza hotanterarahan-tsabatra) mba hisehoan'ny hevitra ao am-pon'ny olona rehetra".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: "Aza mitomany." Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: "Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna." Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny, ary nomen’i Jesoa an-dreniny. Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: "Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony." Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana izany.
Tamin’izany andro izany, nanatona hihaino an’i Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy". Dia nilaza ity fanoharana ity taminy i Jesoa nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very’. Toy izany koa: lazaiko aminareo fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka".
Hoy koa Izy: "Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy’. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky amin’ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: ‘Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana aty! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho’. Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy ity zanany taminy: ‘Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony’. Fa hoy ny rainy tamin’ny mpanompony: ‘Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray’.
Dia nifaly izy rehetra. Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy: ‘Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy irainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy’. Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra ary nivoaka irainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy: ‘Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy’. Fa hoy rainy taminy: ‘Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe: "Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo: Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka."
Indray sabata, i Jesoa niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray. Nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo Izy: "Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: ‘Omeo an’ity ny fitoeranao’, ary amin’izay ho menatra ianao hifindra ary amin’ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: ‘Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa’; amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: "Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony."
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: "Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?" Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy: "Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory. Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza."
Dia hoy i Piera taminy: "Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?" Ary hoy ny Tompo: "Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratran’ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny Fanjakana. Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa".
"Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona izay miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratran’ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamîna. Koa mivonòna koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona".
Dia hoy i Piera taminy: "Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?" Ary hoy ny Tompo: "Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratran’ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny? Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany."
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco