Ny vavaka : fifampiresahan'i Jesoa sy ny Rainy - resaka ifanaovan'ny Ray sy ny Zanaka mifankatia fatratra. Nianatra nivavaka araka ny fony maha-olombelona Azy ny Zanak'Andriamanitra. Nianatra ny rijan-teny momba ny fivavahana tamin'ny reniny, ilay Virijiny. Nivavaka i Jesoa talohan'ireo fotoan-dehibe nanamarika ny fanirahana Azy, talohan'ny nampisehoan'ny Ray Azy tamin'ny Batemy... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Môdely ho antsika amin'ny vavaka i Jesoa sy ireo Olomasina nanara-dia Azy. Nivavaka lalandava mazoto tamin'ny fanaovana asa soa ary nahay nitsinjo ny hafa. "Aza matahotra!" rehefa mivavaka. Ny Zoma Masina dia tsy maintsy miafara sy misokatra ho any amin'ny Alahadin'ny Paka, porofon'ny fandresena ny ratsy rehetra noho izany dia ilàna faharetana ny vavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ny vola sy ny harena ary ny fahefana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra, vokatr'ireo ezaka natao. Ny fahantrana no zary efitra mampisara-bazana ny mpiray tampo sy mpiara-monina. Satria isika mpivahinin'ny fanantenana dia amporisihina ireo rehetra manana vola harena, fahefana mba hamorona asa ho an'ny hafa izay tsy manana fahafahana. Soatoavina tsara ny fifampitsinjovana sy ny fifanampiana ary fifampitokisana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny asan'i Jesoa teto an-tany no maneho miharihary fa raha mino sy manaiky an'Andriamanitra sy ny heriny isika dia ho azontsika izay angatahantsika. "Satria ny finoanao no nahavonjy anao" hoy ny Tompo tamin'ireo olona nositraniny. koa mila manamafy finoana isan'andro isika mba ho azo antoka ny vavaka ataontsika ary mba ho tena vavaka araka izay vokatry ny fo sy an-kalalahana... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Mazana dia mitoetra ny fahatezarantsika manoloana ny fitalahoantsika tsy tanteraka. Betsaka tokoa ny olana miseho ilantsika valim-bavaka kanefa toa tsy misy vokany. Tamin'i Jesoa Kristy tety an-tany dia maro tokoa ireo nitalaho ny famonjena taminy ka niantsoantso hoe "mamindra fo aminay". Na izany aza, ao ny nolaviny , saingy nanao lemozy fa ao koa ireo nanontaniany raha tena mino... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Zava-dehibe ny fahatsorana sy fanetren-tena eo anoloan'Andriamanitra, izany no toe-panahy andrasana amintsika rehefa mivavaka. Tsy fisehosehoana velively ny antony handehanana any am-piangonana sy iaraha-mivavaka amin'ireo toeram-pivavahana fa ny hanompo an'Andriamanitra. Tsy mety ny miandranandrana sy mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ambaran'ny Paoly Apôstôly fa tsy haintsika akory ny mangataka izay tena ilaintsika. Mitaky toe-po sy toe-panahy ny fomba fivavahana, mila fanetren-tena, fahatsorana, sady atao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy tokony ho mailaka hangataka fotsiny isika, fa mila miaiky heloka aloha, milofo mitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra, miondrika eo anatrehany ary midera sy misaotra Azy... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Maro no alaim-panahy hihevitra fa ny vavaka dia mitondra mandrakariva fahagagana eo amin'ny fiainana, anefa tsy izany no izy fa tolona sy hazakazaka. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra ary matetika isika dia manadino mandritra ny vavaka fa isika no natao hanompo azy Tompo, any ka Andriamanitra indray no heverintsika ho mpanompontsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Maro amintsika no mandà ny hoe hivavaka satria mitalaho sy mangataka isika, anefa toa sahala amin'ny hoe tsy henoina vavaka. Matetika dia toa zary fanafintohinana ho antsika tokoa ny tsy fahatanterahan'izany, tsara marihana anefa fa tsy fahagagana ny vavaka fa resaka ifanaovana amin'Andriamanitra ary henoiny hatrany, saingy izay tena mahasoa no tanterahiny... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Raha sendra sendaotra na sorena kely na mba tezitra kely amin'Andriamanitra isika, ary toa manomboka mametra-panontaniana maro Aminy, dia tsy inona no ataontsika amin'izany hoy ny Papa François fa misaritra ny fon'Andriamanitra Raintsika, mba hijery sy hitodika aty amintsika, ao anaty fahavoazana sy fahasahiranana ary olana maro. Anaty hatezerana dia misy hetaheta-po... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Zava-dehibe ho an'ny fiainan'ny tanora ny fanomanana ny ho aviny, ka tsy tokony tsinotsinoavina. Ny fifankahalana sy ny fizarazana dia isan'ny manimba ny tanora, tsy tokony ho lany fotoana amin'ny rendrarendra ny tanora, fa hanao ho zava-dehibe ny mahasoa, toy ny fianarana sy ny fiofanana... Miantso ny tanora mba hiverina amin'ny fitiavam-bavaka, torak'izany ny fianakaviana tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 02 febroary 2025 : fankalazana manetriketrika ny nanolorana ny Tompo. Fanamasinana ny Jiro : Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao. Ity fotoana fankalazana ny nanolorana ny Tompo ity dia manamarika ny fotoana izay nankatoavan'i Jesoa ny lalàna ampahibemaso ary nitsena ireo vahoaka niandry Azy, eto ihany koa no fahataperan'ny andro fidiovana, araka ny lalàn'i Môizy, aorian'izay moa dia mandeha manolotra fanatitra ho an'ny Tompo. Ao amin'ny Fiangonana no toerana ahitantsika an'i Kristy sy hitsenantsika Azy. Ny fetin'ny Jiro masina dia manambara fahazavana izay famantarana an'i Kristy fahazavana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco