Matio no i Lévi ilay poblikana mpamory hetra, nanaraka avy hatrany an'i Jesoa rehefa niangavian'i Jesoa hanaraka Azy tamin'ny fandalovany ; izy no nanoratra ny Evanjely voalohany. Simon nomena ny fanampin'anarana hoe "Zelote" satria izy dia anisan'ny niaritra ny fanenjehan'ny Rômana tao amin'ny jody. Jodasy Iskariota, olon'i Crioth no voatonona farany amin'ireo Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 7 aogositra 2026

• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...