Ny mpivavaka marina dia tsy mba mamono ny vavaka, fa manao ny vavaka ho toy ny jiro mirehitra eny an-tanany mandrakariva, mampahatsiahy antsika ireo virijiny hendry, ary mampahatsiahy ny nanomezana ny jiro mirehitra tamin'ny andro nanaovana Batemy antsika. Samia mizatra mitodika tsy tapaka amin'Andriamanitra na amin'ny mora na amin'ny sarotra fa izany no fivavahana marina... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Ireo Olomasina rehetra dia samy nandalo ny "lohasaha maizina" avokoa, toa very fanantenana aza indraindray izy ireny, nefa tsy kivy. Tsy kivy tsy mihemotra fa mandroso hatrany. Mila faharetana ny vavaka, mila herim-po ; aza miady irery fa ndrao resy, fa antsoy ny mponin'ny lanitra, hankahery sy hanohana indrindra ny Fanahy Masina sy ireo Anjely mpiambina antsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Mba ho mpivavaka marina sy feno zotom-po, dia ilaina ny fahaizana mandrindra fotoana eo amin'ny fiainana andavanandro. Tsy mety raha omena vahana ny hakamoana sy ny hakiviana, indrindra amin'izay fahasoavana angatahintsika manokana. Matetika dia ny tsirambina vokatry ny tsy fanomanana tsara ny fandinihana na fibanjinana no miteraka ny tsy fahombiazana na hamainana anaty... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Misy ezaka toa tsy misy vokany, toa mangina Andriamanitra, ary izany dia mahatonga fahamainana. Noho izany dia kivy isika fa hoe tsy mivaly ny vavaka. Andriamanitra dia eo amin'ny fiainantsika mandrakariva, mankahery antsika ary mihaino ny vavaka ataontsika. Aza kivy na reraka fa aoreno ny finoana an'Andriamanitra, aoka hanana faharetana isika rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Ny fahamainana dia mivavaka anefa tsy mahita tsirony, tahaka ny nahazo ireo mpianatr'i Jesoa, revo tao anaty tori-maso sy tebiteby. Mila fifantohana tanteraka ny olona mivavaka iray mba handresena ny fahamainana. Tahaka ireo virijiny niomana tamin'ny solika raha niambina dia ny vavaka indray no solika entintsika kristianina miandry ny fiverenan'i Jesoa... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Ny vavaka dia mila fifantohana tanteraka. Ny vavaka dia mila fanazaran-tena, indrindra ny fametrahana ny fiainana amin'Andriamanitra. Mila mifantoka amin'Andriamanitra isan'andro ny olona mivavaka. Ny fandinihana masina, ny tonom-bavaka samihafa dia isan'ny ireo fomba ahafahana mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Ny fitaovan-tserasera mampifandray olona maro sy amin'Andriamanitra mivantana dia ny Soratra Masina, indrindra ho an'ny kristianina izany hoe ny Baiboly. Maro ireo boky voasoratra afahana mampita ireo soa maro samihafa ho an'ny taranaka. Manentana ny ray aman-dreny mba hanampy ny taranaka mba hanampy ny zanaka hahay hampiasa tsara ny fitaovan-tserasera, indrindra ireo noentin'ny fanatontoloana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady faha-3 mandavantaona — D : Ny tenin’Andriamanitra manampy antsika hifanotrona toy ny fanirin’akondro ; Nirahin’ny Tompo hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho ary hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra. Mipetraka ny fanontaniana hoe manao ahoana ny fankafizantsika ny tenin'Andriamanitra ; teny lina nihaino an'Andriamanitra ny Jody tafaverina avy any an-tsesitany, afaka alahelo izy ireo ary sambatra. Ny tenin'Andriamanitra dia tsy boky fotsiny fa fomba sy olona izany hoe i Jesoa Kristy. Ny olombelona, ny Kristianina dia ratsam-batan'i Kristy ka samy manana ny anjara toerany avy, anefa iray noho ny maha iray ny fanahy izay nanaovana batemy antsika...

Maro ireo andram-piainana sy traik'efa mikasika ny vavaka niainan'ireo zoky ara-pinoana : tao ireo nanana faharetana tamin'ny zavatra madinika, isan'ireny Masimbavy Thérèse d'Avila, Masindahy Jean de la Croix, ary Masindahy Jean Bosco. Ny vavaka dia mampandroso ary maha olom-banona, miasa ao amin'ny vavaka ataontsiksa Andriamanitra... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Ny vavaka ao amin'ny Soratra Masina no isan'ireo vavaka tsara indrindra. Ny vavaka dia tena tolona. Ny vavaka niain'ireo olom-bofidin'Andriamanitra dia afahana manaporofo fa ny vavaka dia tolona, indrindra rehefa manoloana ireo sedra maro samihafa... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Mila finiavana ny vavaka, tsy tokony ho kivy, izay no atao hoe tolona amim-bavaka.  Ny sitrapon'Andriamanitra no ezahina katsahana anatin'ny vavaka. Ny vavaka dia mampisy ny fanantenana toy ilay vehivavy narary an-taonany maro izay tsy nahitam-panafana anefa sitrana noho ny vavaka sy ny finoana... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Satana dia isan'ny fahavalon'ny vavaka, ary tsy maintsy resena. Mila mahay manavaka ny asan'ny fanahy isika ; misy telo dia ny fanahintsika dia ny sitrapo izay, ny fanahy ratsy dia ny satana, ary ny fanahy tsara izay vokatry ny fanahy masina. Fomba iray hiadiana amin'ny fakam-panahy ny fitokanana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra fa tsy hamela antsika ho resin'ny fakam-panahy Izy... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...