Anisan'ny nampisongadina ny vavaka ataon'i Jesoa ankoatra ny hoe fananany faharetana amin'ny vavaka, ny fivavahany lalandava, ny fananany herim-po ary indrindra ny fananany fahatokisana ny Ray. Anisan'ny adidin'ny mpisorona ny manolotra vavaka ho an'ny vahoaka an'Andriamanitra, ny mivavaka ho an'ny olona rehetra., eny ho an'ny fahavalo ihany koa... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Teo amin'ny hazofijaliana dia mbola nivavaka i Jesoa izay nahatsapany fa maizina tanteraka ny fiainany ary toa natao azy ny Ray ; na izany aza dia mbola niantso ny Ray foana Izy, vavaka feno herim-po sy fahasahiana io vavak'i Jesoa io satria teo am-piaretana ny mafy ; tsy ho an'ny tenany samirery no ivavahany fa ho an'ny hafa ihany koa, ho an'ny olona rehetra... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Nivavaka toy ny miady aina i Jesoa tao amin'ny sahan'i Getsemania, rentsika tsara ny vavaka nataony tamin'io "Ray o! Raha azo atao, aoka esorina amiko ity kapoaka ity..." Na Andriamanitra aza i Jesoa dia tena nihorohoro sy natahotra ny fahafatesana fatratra tokoa. Mampianatra antsika i Jesoa amin'ny vavaky ny mpisorona mba tsy hisasraka amin'ny vavaka na miady aina aza... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Zava-dehibe ny famolahan-tena eo amin'ny fiainam-bavaka. Hasain'Andriamanitra hibebaka isika, hahay hampifanaraka ny toetrany amin'ny raharaha sahaniny, tokony hatsapa tena ireo manana andraikitra amin'ny fiaraha-monina. Izao Karemy izao no fotoana tsara hialana amin'ny fahazaran-dratsy : kolikoly sy ny fanararaotana isan-karazany, indrindra ireo mpitaky vola eny ifotony ho hetra, ireo mpitantana ara-bola. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady voalohany – taona D, Karemy : Fahafoizana ho an’Andriamanitra ; Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Jesoa nalain'ny demony fanahy tany amin'ny tany efitra no resahin'ny Evanjely, ny demony dia antsoina hoe mpampisaraka amin'Andriamanitra. Ny tany efitra dia manambara ny fisitahana, fahanginana, fivavahana, ary manambara ny fisedrana (irery, anoanana, fakam-panahy...). Miala maina ny demony rehefa miankina amin'Andriamanitra sy ny teniny isika. Ny tena harena dia Andriamanitra irery, aoka isika hafoy ny rehetra noho ny amin'Andriamanitra...
I Jesoa Mpisorona mampianatra antsika hivavaka lalandava ary noraisin'ireo mpianany ka amporisihiny antsika mba hivavaka lalandava. Tsy afaka hitonona ho kristianina isika raha tsy mivavaka ary ny fiainam-pinoantsika dia marefo raha tsy mivavaka isika. Io vavaka io no anisan'ny asa voalohany takiana amintsika kristianina hanehoantsika ny finoantsika... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Misy fampianarana maro hamaritan'ny ara-teolojia ity fisoronana ity ka tsara ho fantatra. Ny mpiandry ary mpitarika azy ireo amin'ny anaran'Andriamanitra dia ny Eveka ary izy ireo no mpisorona sady mpanolotra sorona masina noho izany fandraharahana masina iandraiketany izany. Mpiandry ondry izy ireo araka ny fampianaram-pinoana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Mpisorona manjaka ny kristianina, ary Kristy no mpisorombe, mpisorona ho an'Andriamanitra Rainy. Ny vita batemy dia voahasina ho tempolin'ny Fanahy Masina sy ho mpisorona masina mba hanolotra fanatitra ary mba hanambarana ny fahefan'ny naniraka azy hiala amin'ny haizina ka handeha any amin'ny fahazavana. Ny mpianatr'i Kristy rehetra dia vavolombelon'i Kristy eran-tany... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Tsara tsipihina fa tsy miresaka momba ny pretra izay fantatsika kristianina ankehitriny loatra ny Testamenta Vaovao fa mbola ireo mpisorona araka ny fomba jody ihany no resahina ; i Jesoa Kristy dia sady anisan'ireo Mpisorona araka ny fomba jody no araka ny fomba kristianina. Tany am-piandohana dia mbola nandray anjara tamin'ny "culte" jody ny kristianina... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny fisoronana dia nifandovana teo amin'ny tantaran'i Israely : rehefa antitra ny mpisorona iray dia mametra-tanana amin'izay taranany handimby azy izy. Toy izany no hita tamin'ny nataon'i Isaaka tamin'i Jakôba izay tokony ho i Esao zokiny no nomena azy. Io fomba io no mbola tanana ankehitriny amin'ny alalan'ny fetrahan-tanana amin'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny Mpisorona "sacerdoce" : ny mahazatra antsika andavanandro ankehitriny dia Pretra satria ny mpisorona araka ny voambolana vahiny dia mitovy dika amin'ny pretra ; izany hoe manana anjara asa manolotra ny vavaka na sorona ho an'ny tenany na ho an'ny hafa amin'Andriamanitra. Azo lazaina ho vavaka ihany koa ny sorona satria amin'ny endrika vavaka... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny asa dia zava-dehibe satria natao hanompoana ny namana sy ny Tompo. Rehefa ny asa no tsy misy dia miha mahantra sy noana ny vahoaka. Entanina ny tsirairay mba handeha hiasa sy hikarakara ny tranobe iombonana. Mahavara manamarina ny zavatra tavela any ivelan'ny trano mba tsy handrian'ny fanahy ratsy. Mifalia amin'ny fahombiazan'ny namana, mba ho hisokafany aminao... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco