Alahady sampankazo : Fandinihana ny fijalian'ny Tompo ; fahatsiarovana ny nidiran’ny tompo tao jerosalema. Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Zanaka natao hanaiky isika, mankatoa amim-pitiavana. Betsaka ny fahontantsika sy ny fahalemantsika koa aoka isika haka tahaka an'i Masindahy Piera dia ny fiovam-po amin'ny fibebahana. Izay miombina amin'i Kristy dia handresy hiaraka aminy manoloana ireo sedra ara-panahy...

Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ny Eglizy dia sady hita maso no ara-panahy, izany hoe, fikambanana hita maso misy mpitondra sy olona entina. Fikambanana ara-panahy noho ny Batemy sy ny Fahasoavana. I Jesoa irery ihany no Mpanalalana lavorary amin'olombelona sy Andriamanitra. Ny Eglizy dia vondron'olona atambatry ny Finoana, Fanantenana sy Fitiavana. Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ny Eglizy dia toy ny valan'ondry, foto-boaloboka, trano aorina, lapa soa sns... Tao amin'ny Testamenta Taloha dia fanoharana mazàna no nenti-nanambara an'ilay Fanjakàna ; ohatra notsongaina tao amin'ny fiompiana, na tao amin'ny fambolena na tao amin'ny taotrano, na koa tao amin'ny fianakaviana sy ny fanambadiana ary efa voaomana ao amin'ny bokin'ireo Mpaminany Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ny Tenin'Andriamanitra dia toy ny voa afafy, ka izay mandray azy no tonga zanak'Andriamanitra. Ny misterin'ny Eglizy Masina dia miseho eo amin'ny nanorenana azy. Misy fifandrasainy ny Fanjakàn'Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, manamarina izany ny teniny nanao hoe : Raha ny ratsan-tanan'Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo tokoa ny Fanjakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ny famonjena hoy isika dia "firaisana aina" amin'Andriamanitra sy "firaisana hina amin'olombelona rehetra. Ny Fanahy Masina no manamasina lalandava ny Eglizy ary mitondra ny mpino hanatona ny Ray, amin'ny alalan'i Kristy. Ny endriky ny fitantanan'ny Fanahy Masina dia mampiombona, mampivondrona, mampiray aina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ny Fanany Masina mitoetra ao amin'ny mpino hoy isika no manohana ny mpino mba hizotra amin'ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahy Masina no nananganana antsika ho zanaka malalan'ny Ray, mahatonga antsika ho mpanara-dia an'i Kristy. Asan'ny Fanahy Masina amin'ny fanamasinana ny Eglizy ny fampidirana azy amin'ny hafenoan'ny marina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Nohariana ny zavatra rehetra na ny lanitra na ny tany. Nirahina tety an-tany ny Zanaka ary, rehefa tontosa ny asa nanirahana ny Zanaka dia nirahin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina mba hanamasina ny Eglizy. Ny andro Pantekôty no nidinan'ny Fanahy Masina mba honina ao amin'ny Eglizy sy ao am-pon'ny mpino... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Raha tsy manana tanjona mazava ireo mpifankatia dia mety ho fitiavana voapoizina no hifampizaràna. Betsaka ny mpivady no tsy mifankafantatra tsara ka rehefa ao anaty tokan-trano vao tojo olana samihafa. Ny fitiavana dia tokony hanjakan'ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra. Ny toerana tsara hanaovana ny vavaka : eo am-baravarana, an-dakozia, efitra fandriana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 06 aprily 2025 ; Alahady faha-5 - taona "D" karemy : FIAINAM-BAOVAO NY PAKA. Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao. Ny teny nivoaka tamin'ny vavan'i Jesoa dia sahala amin'ny sabatra maranitra natsatoka tamin'ny fon'ireo mpiampanga "Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitoraka azy voalohany". Mirongatra ho azy ao anatintsika ny fiheverena mitovy amin'ny farisianina sy ny mpanora-dalàna, mendrika ho saziana mafy ny manao tsy mety, izay valin-teny araka ny fo fotsiny ; amin'i Jesoa anefa dia ilaina ny fandanjalanjàna ny zavatra tokony hatao, fihetsika tsara natao ny hoe tsy hitsara fa hamonjy...

Ny Eglizy dia nahazo fahefana avy amin'i Jesoa Kristy hanao didy. 1- Mankamasina ny andro fety natokan'ny Eglizy hoamasinina. 2- Mamonje Lamesa na ny fanompom-pivavahana amin'ny andro alahady sy amin'ny andro fety natokan'ny Eglizy hohamasinina, raha tsy misy antony lehibe. 3- Manambarà amin'ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra, na dia indray maka isan-taona ihany aza. 4- Manaova Komonio tsara amin'ny vanin'andro fankalazana ny Paka.
5- Mifadia hanim-be, ary mifadia hena amin'ny Alarobian'ny Lavenona, sy ny Zoma Masina. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Tamin'ny fitsanganan-ko velona no namalian'ny Ray ny vavak'i Jesoa nandritra ny fijaliany ; ny vavaka nataon'i Jesoa dia azontsika alina tahaka noho vavaka nataony izay feno fifandraisana sy fahatokisana lalina ny Ray, ary vavaka ho an'ny olona rehetra. Tiantsika i Jesoa, porofon'izany ny nanolorany ny aina ... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...