Alahady fankalazana ny Batemin’i Kristy : i Jesoa natao Batemy ; tandindon’ny batemintsika. Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." Ny Batemin'ny Tompo dia azo lazaina fa mbola fisehoan'ny Tompo ihany koa, maneho ny fiatombohan'ny fiainan'ny Tompo amin'ny fiaraha-monina manodidina Azy ; mifarana eto ihany koa ny fankalazana ny Noely, nankalazana an'i Jesoa zazakely. Ny Batemy nataon'i Joany dia amin'ny rano fa ny an'i Kristy dia amin'ny Fanahy Masina sy ny afo. Ohatra ho antsika i Joany amin'ny asa fitoriana, nanomana ny fon'ny vahoaka handray an'i Kristy, toy izany ihany koa ny asa miandry antsika Kristianina...
Rehefa mivavaka isika dia tahaka ny boka nositranina, tahaka an'i Bartime jamba nahazo fahiratana, Lazara izay efa maty ary nalevina tany am-pasana saingy nahazo ny fiainana vaovao avy amin'i Jesoa Kristy. Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra. Maro no nilaza fa asan'ny fo ary famolavolana ny fo ny vavaka. Ny fandinihana dia maka andalan-tSoratra Masina iray ho entina mandini-tena, hakana voka-tsoa ara-panahy. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Ny toetran'i Jesoa Kristy manontolo na amin'ny maha-olombelona na amin'ny maha Andriamanitra Azy dia samy manampy hahazoana ny famonjena sy ny fahasambarana daholo. Ny fotoana rehetra niainan'i Jesoa teto an-tany noho ny fahasoavan'ny vavaka dia azo raisina ho fiainantsika ankehitriny, azo isintonana voka-tsoa ara-panahy, izay tsy inona fa fahasoavan'ny "méditation". Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Maro ny fomba fanaovana "méditation" ho an'ny kristianina : misy ny tena tsotra fa misy ny somary sarotra ; ny sasany mitaky fampiasana saina sy fahalalana kokoa, ary ao ny mitaky fampiasàna ny fitadidiana, saina mandinika ary ny sitrapo. Maro no nilaza fa asan'ny fo ary famolavolana ny fo ny vavaka, ary ny fo no manambara ny olombelona manontolo amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Raha raisina amin'ny maha kristianina ny teny hoe "méditer" dia manana ny heviny manokana tsy azo vonoana. "Méditer" dia tena ilain'ny maha olona rehetra, fa manana dikany lalindalina kokoa izay teny izay raha raisina amin'ny maha kristianina. I Jesoa Kristy no lalana ary Izy no ianarana rehefa manao "méditation". Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Mila kaliana sy tandremana tsara ny fanaovana ny "méditation". Mila mitandrina tsara satria betsaka loatra ny karazam-pivavahana no miresaka momba azy io ary manao fampiharana. Mazàna ny "médiation" fanaon'ny tandrefana no tena maro mpanao, faniriana hahita fiadanam-po, satria eritreretina hanangonana hery, hitondra herim-po hiatrehana ny hitakitaka tsinahy, ny ankivy... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Alahady fankalazana ny nisehoan’ny Tompo na Epifania : Izao tontolo izao no irin’andriamanitra ho Eglizy fianakaviany ; Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo. Vita ny fetin'ny Noely, mety ho lalovan'ny maro fotsiny ny fankalazana ny Epifania, anefa banga ny Misterin'ny Noely raha tsy hita taratra amin'izao tontolo izao amin'ny Epifania ny Misterin'ny Noely. Ny Epifania dia manipika ny asany eo amin'ny vahoaka manerana ny tany tontolo izay solon'ireo Majy tena. Tamin'ny Noely dia tsy niseho afatsy tamin'ireo mpiandry ondry i Jesoa, fa amin'ny Epifania dia mandray ny olona rehetra eto an-tany izy ; ny firenena rehetra no vonjen'i Jesoa, Mesia ho an'ny olon-drehetra izy...
Alahady aorian’ny nahaterahan’ny tompo - fetin'ny fianakaviana masina : fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany ; Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny zanaka, mitondra hafaliana sy hasambarana eo amin'ny mpivady. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny mahazanaka antsika. Tokony hotsaroin'ny ray aman-dreny fa tsy izy ireo no tompon'ny zanaka fa adidiny no mampahafantatra ny antson'Andriamanitra ao amin'io zanany io. Manasongadina ny fifandraisan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny Eglizy ary manentana ny tsirairay haneho fifanajana, fifankatiavana...
Alahady faha-4 — taona "D", fiavian’ny tompo : Indro tonga ny mpamonjy, eo afovoantsika ; Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao. Vehivavy roa samy mitondra vohoka ary samy mahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra azy : I Maria sy Elisabeth. Andriamanitra dia tia antsika ary manao izay hampirindra ny fiainantsika Izy. Misy fomba maro hahatanteraka io asan'Andriamanitra io amintsika dia : fandinihana ny sitrapony, fanatanterahana ny sitrapo amim-pitiavana, fanetren-tena. Ohatra tsara ho antsika i Maria sy Elisabeth, tsara fifandraisana ary mifampizara, mifanatsara, mifankatia...
30 aprily — I Masindahy Pie V dia ilay papa faha-225 nitondra ny Fiangonana ny taona 1566 ka hatramin'ny taona 1572. Antonio Ghislieri no anarany, teraka tamin'ny 17 janoary 1504 tao amin'ny tanana kely tao Bosco, akaikin'i Alexandrie tao amin'ny diôsezin'i Tortone.
29 aprily — Teraka tao Sienne ny 25 marsa 1347 i Catherine Benincasa. Nambara fa io andro io dia sady fankalazana ny Annonciation no Sampankazo ihany koa. Vao 5 taona monja i Catherine, izany hoe ny taona 1352, dia nahazo fisehoana, dia ny fisehoan'i Kristy Mpanjaka.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco