Alarobia 07 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
04 ôktôbra — Teraka ny 1181 i François, zanaka mpivarotra, mpanan-karena tao Ombrie izy. Vao teraka izy dia nataon'ny reniny batemy ka nomeny ny anarana hoe Jean fa rehefa tonga avy any France ny rainy dia nanome azy ny anarana hoe François.
03 ôktôbra — Teraka ny taona 890 tao Stave, tanana kely tao Florennes i Gérard. Sancius no rainy, izay avy amin'ny fianakavian'ny duc d'Austrasie. Avy amin'ny reniny indray izy dia nanana dadatoa an'i Etienne, eveka tao Liège. Nanan-tany tao Brogne ireo ray aman-drenin'i Gérard ireo.
02 ôktôbra — Ankalazain'ny Fiangonana amin'ity daty ity ny fetin'ny Anjely Mpiambina satria mino isika fa izy ireo dia nomen'Andriamanitra iraka sy fahefana ho antsika olombelona. Tsy misalsala ny amin'izany isika satria hitantsika ao amin'ny tenin'Andriamanitra izany. Eo ihany koa ny fampianaran'ireo Mpampianatry ny Fiangonana sy ireo olomasina ary ny fahefan'ny Fiangonana.
01 ôktôbra — I Thérèse de l'Enfant Jésus, na i Thérèse de Lisieux na i Thérèse Kely, dia teraka ny 02 janoary 1873, ary roa andro tao aorian'io, izany hoe ny 04 janoary izy no natao Batemy tao amin'ny fiangonana Notre-Damle d'Alençon. I Louis Martin no rainy, mpanamboatra famantarandro izy io, ary Zélie-Marie Guérin no reniny, mpanao dentelles no asany.
30 septambra — Teraka tao Stridon akaikin’ i Aquilée any Dalmatie na Croatie ankehitriny i Jérôme. Nampihantain’ny ray aman-dreniny tokoa izy io satria telo ambin’ny folo taona izy vao nanan-jrandry mianadahy. Nianatra tany Milan sy tany Roma i Jérôme ary nanaraka ny fampianaran’i Aelius Donatus.
Talata 06 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Alatsinainy 05 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37 — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.
29 septambra — Tsaroan’ny Fiangonana amin’ity daty ity ireo arakanjely indrindra fa i Michel, i Gabriel, ary i Raphaël. Misy antoko sivy manko ireo anjely, ary misy antana-tohatra telo. Dia eo ilay antsoina hoe : “Anges, Archanges, ary ny Principautés”.
Alahady 04 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Sabotsy 03 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-26 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 17-24 — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Zoma 02 ôktôbra 2020 — Anjely Mpiambina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 1-5.10 — Misaora ny Tompo ry tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco