Sabotsy 28 aogositra 2021 — Herinandro faharaika amby roapolo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 14-30
Ry kristianina havana ! Nasongadin’i Jesoa tao anatin’izay telo andro izay ny hoe miambena, miandry ny hiverenany amin’ny ora tsy ampoizina. Raha manao ny fanoharana izy dia tsy sanatria hoe nofinofy entina hampiohorohoroana na hampatahotra antsika fa maneho ny zava-misy amin’ny fiainantsika ka hakantsika lesona entina mivonona mandrakariva amin’izay fiverenany amim-boninahitra izay. Amin’ny endriky ny mpangalatra no nanehoany izany fanoharana izany afak’omaly, amin’ny endriky ny mpampakatra sy ampakarina kosa omaly ary androany dia amin’ny endriky ny tompo ary tsoriny mazava hoe "Andriamanitra dia hanao tahaka ny lehilahy iray".
Ny lehilahy nandeha nivahiny dia entin’i Jesoa ilazana ny tenany izay tsy eo mandram-piveriny ka tiany isika handray an-tanana ny fiainantsika. Izay rehetra ananantsika na inona io na inona toy ny vola aman-karena, fahaizana, talenta dia izay ilay talenta ka ametrahan’Andriamanitra fitokisana amintsika ny fampitomboana azy. Eto manko no tonga amin’ilay fitenintsika hoe tsy tompony isika fa mpamerin-doha. An’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra ka isika mpiandry omby volavita ihany. Adidintsika eo anatrehan’izany no mikaroka fomba ho entina mampitombo ireny fanomezan’Andriamanitra napetrany amintsika ireny. Izay ilay hoe tsy sanatria akory ratsy ny vola aman-karena fa azo lazaina ho talenta omen’Andriamanitra anao mba hampitomboina ireny saingy ny fampiasantsika olombelona azy tsy araka ny tokony ho izy no mahatoga azy ho ratsy na mahatonga antsika ho ratsy eo anatrehany.
Ny tsy fitovizan’ilay talenta omena moa (dimy, roa, iray) mazana mahatonga antsika himenomenona foana hoe tsy rariny, miangatra... fa aoka ny masontsika tsy ho takona eo anatrehan’izany fa tokony hahatsapa mandrakariva hoe mahasoa antsika izany matoa ataony amintsika. Sokafy tsara ny masontsika dia diniho ny voalazan’ny Evanjely teo fa raha niverina ilay lehilahy ka nampamoaka tamin’izy ireo ny fananany dia mitovy ny nolazainy tamin’ilay nomeny dimy sy roa hoe noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia ataoko mpanapaka ny be koa ianao, miaraha mifaly amin’ny tomponao. Midika izany fa tsy misy fiangarana velively amin’ny nanomezany ireo talenta ireo fa isika mahita amin’ny endrika ivelany fotsiny no manao fijery mitanila. Isika no mahita hoe tsy fitoviana na mitanila na miangatra fa Andriamanitra dia mametraka amintsika ny fitoviana mandrakariva ary tsarovy fa sarobidy eo imason’Andriamanitra isika ary tsy misy mahasolo ny anjara toeran’ny olona iray na oviana na oviana araka ny nandaharan’Andriamanitra azy ka tsy tokony hialona na oviana ny talenta na fahaizana na fahalalana na fananana omen’Andriamanitra ny olona iray isika. Ny voahary rehetra dia manandanja eo anatrehan’Andriamanitra avokoa ka tsy misy mahasolo azy na oviana na oviana. Mifalia amin’izay omena anao ary misaora Azy mandrakariva ka izay omeny anao no hitadiavo fomba mandakariva izay hampitomboana azy.
Mbola manasongadina ny tokony hiandrasantsika ao anatin’ny fahavononana ny fiverenany hatrany i Jesoa manao ity fanoharana ity. Ny fiandrasana dia tsy hoe mipetraka fotsiny de manao ariary zato ampandriana fotsiny fa miezaka manajary sy mampandroso ity izao tontolo izao ity. Izay ilay hoe trano be iombonana araka ny fampianaran’ny papa antsika. Iompanan’ny adidintsika ho fampitomboana ireo talenta apetrak’Andriamanitra amintsika ka hiandrasantsika ny fiverenany avokoa manko ny endrika fampandrosoana rehetra ataontsika saingy ny mampalahelo ankehitriny dia manjaka loatra ny tsy rariny, ny kolikoly, ny fitiavan-tena ka mivily lalana tsy araka ny tokony ho izy ny fampiasantsika ny talenta omena antsika. Na izany na tsy izany anefa dia misy valiny ary misy farany avokoa izany rehetra izany. Mametraka antsika amin’ny toerana sahaza antsika tsirairay avy ary Andriamanitra ka aoka isika ho mendrika izany toerana izany ary hanatanteraka izay takiny amintsika dia ny mba hamokarana be sy haharetan’ny vokatry tsika ary hanomezan’ny Ray voninahitra antsika : "miaraha mifaly amin’ny Tomponao".