Alarobia 25 aogositra 2021 — Herinandro faharaika amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 27-32

Ry kristianina havana ! Manohy mandinika ity toko faha 23 ao amin’i Masindahy Matio ity isika. Miantso loza roa hafa koa ho azy ireo indray i Jesoa.

Voalohany, ohariny amin’ny fasana izy ireo eto. Ny fasana izay fomba fitenintsika ny hoe madio ivelany, ary raha ny fomba amam-panaotsika Malagasy dia isaky ny hamadika vao manadio sy mandoko fasana. Ny ao anatiny anefa amin’izay fotoana izay dia tsy hay intsony, fa i Jesoa mihitsy eto no milaza azy hoe feno taolam-paty sy olitra. Filazana amin’ny endriny hafa indray ny ao anaty fon’ny mpihatsaravelatsihy ity entin’i Jesoa miteny mafy ireto mpanora-dalàna sy Farisianina ity fa tokony hitandremantsika koa izay sendra manana izany toetra izany. Ety ivelany ianareo, hoy i Jesoa, miseho ho olomarina nefa ny ao anatinareo feno fihatsaram-belatsihy. Izay ilay mitovy amin’ny fasana. Aoka ho haintsika tsara ny mampifanaraka ny maha izy antsika, izany hoe ny fiainantsika sy ny fisehosehoantsika ivelany satria sao dia ny endrika ivelany no hanafenantsika ny haratsiana ao anatintsika ao. Fitaka manko ny endrika ivelany ary tsy adala ny Ntaolo razantsika miteny hoe ny tarehy ratsy no tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ialana. Ankehitriny noho ny fandrosoana dia efa vitan’ny zanak’olombelona ny manova ny tarehy ratsy ho tsara saingy kosa ny manova ny toetra ratsy ho tsara dia miankina amin’ny tsirairay ihany. Saron’ny endrika kanto ivelany ankehitriny ny haratsian’ny zanak’olombelona ka miantefa amintsika io tenin’i Jesoa io. Any amin’ny haino aman-jery sy ny serasera "reseaux sociaux" rehetra any moa dia betsaka mitsy ny sary kanto mamitaka. Ireny ilay fasana madio sy voaloko fotsy ivelany. Tandremo ireny. Ekena fa tsy misy tokoa ny lavorary sy masina fa miezaka amin’izany isika rehetra na ny mpitarika na ny tarihina. I Jesoa irery ihany no masina ary izy irery no manana ny fahalavorariana fa isika kosa mifanentana sy mifanampy ho amin’izay fahalavorariana sy fahamasinana izay mba tsy hanaraka ny toetran’ireo mpanora-dalàna sy Farisianina mpiatsaravelatsihy ireo fa hanana ny toetra tso-po ary malemy fanahy ary madio. Enga anie hanampy antsika amin’izany ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fivelomantsika isan’andro ny finoana maha kristianina antsika.

Faharoa, manamafy io efa nambarany teo ambony io i Jesoa miantso loza mafimafy kokoa. Loza ho anareo fa manorina ny fasan’ny mpaminany ianareo ary manaingo azy tsara. Hatrany amin’ny taranaka mifandimby tokoa moa dia miteny toy izany avokoa hoe raha tamin’ny andronay izao no tety i Jesoa dia nanaiky azy izahay e, tsy nofantsihanay izy e, tsy nanaiky ny hamatsihana azy izahay e. Tsarovy anefa fa eto ivelany isika mety milaza fa tsy hamantsika an’i Jesoa fa ao anaty ao amin’ny toetra afenintsika dia vao mainka mandetika tsikelikely ny fantsika nafantsika tamin’ny tanany sy ny tongony. Hatraiza tokoa moa ny fijoroantsika amin’ny marina eo amin’ny fiainantsika ? Raha tena mijoro amin’izany isika dia efa ela no foana ny kolikoly. Ny hira fihirantsika matetika ihany anie no miampanga antsika hoe tsy zakan’ny olombelona novesaran’ota ny marina ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo. Izany no efa niainan’ireo mpaminany taloha ka nahafaty azy ireo ary mbola mitohy aty amin’i Jesoa fa na ankehitriny aza dia tsy mahazaka ny marina isika. Firifiry moa ny marina eo amin’ny fiaraha-monina no takonana, foanana, hafenina ary vitan’ny sasany ny mividy vola azy. Isika ary no antsoina ankehitriny hijoro amin’ny marina ; marina ao anaty ary hijoroana vavolombelona ety ivelany. Isika no miezaka manadio ny anatintsika aloha mba hifanaraka amin’ny fisehoantsika ety ivelany. Antso koa ataon’i Jesoa ho an’ireo manao fahotana nefa tsy mahatsapa akory ny haratsian’ny hataony ity antso ity. Misy tokoa manko fahotana hataon’ny fiaraha-monina dia heverina fa rehefa ny rehetra no manao azy dia tsy fahotana. Mila fitandremana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...