Alakamisy 26 aogositra 2021 — Herinandro faharaika amby roapolo mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 42-51
Ry kristianina havana ! Nampitandreman’i Jesoa antsika tato ho ato ny fihatsarambelatsihy. Efa fanomanantsika ny hoavintsika izany ary toetra tokony hialana raha te hahazo ny fiainana isika. Ny manaraka kosa ary dia mampiseho amitsika i Jesoa ny miandry antsika amin’ny farandro hiampitantsika makany amin’ny fiainana mandrakizay. Ny andininy 1-41 amin’ity toko faha-24 dia mitantara ny zavatra hiseho amin’ny farandro i Jesoa fa aorian’ny fitantarany izany dia izao mampiomana izao izy mba tsy ho zavatra mampatahotra antsika izany fotoana izany fa ho tena andro sarobidy ho antsika aza raha tena tsara fiomanana isika. Inona ary ny fiomanana hanentanan’i Jesoa antsika handray izany fotoana lehibe izany ?
“Miambena fa tsy fantatrareo izay tapak’andro iavian’ny Tomponareo”. Efa fandre matetika io tenin’i Jesoa io. Mety hieritreritra isika noho izany hoe hatraiza ilay fiambenana satria efa ela izay no nahalasanan’i Kristy any amin’ny Rainy. Manao fankalazana ho fahatsiarovana izany isika isan-taona fa ilay tena Tompo andrasana rahoviana ihany ? Miodikondina eo anefa ny fiainana dia tonga ihany ny fakam-panahy hanjehy ny andro ho lava. Fahamalinana anefa no iangavian’i Jesoa hananantsika. Tsy hoe mino fotsiny, na mitia fotsiny, na manaiky ny sitrapon’Andriamanitra fotsiny dia ampy fa miambina mandrakariva. Izany hoe mila mivonona mandrakariva ka inona ilay hivononana, dia ny hiverenan’ny Zanak’Andriamanitra amin’ny farandro. Raiso ohatra amin’ny fiainantsika andavanadro, raha misy fotoana ataonao amin’ny sakaizanao ka tara izy noho ny antony maro samihafa (amboteiazy ohatra, sns…), na raha misy zavatra tena tianao nampanantenaina anao ka miandry ny fotoana ahatongavan’izany ianao ; manao ahoana moa ny fientanam-ponao maharitra miandry izany satria manantena ianao fa fifaliana no ho azonao eo avy eo. Moa ve tsy miohatra lavitra noho izany no tokony ho fiandrasantsika ny famonjena entin’ny Zanak’Andriamanitra ho antsika amin’ny fiverenany ka tokony hiaretantsika ? Aoka isika tsy hiteny hoe efa ho lava izy ity fa aza adino fa isika ihany aza no mpiteny hoe izay maharitra vadin’andriana, mainka fa ny famonjena antsika ?
Fanoharana no entin’i Jesoa mampita amintsika ny tokony ataontsika amin’izany fiambenana izany. Fanoharana momba ny mpanompo mahatoky sy ny mpanompo ratsy fanahy. Ny fanentanana sy ny fampianaran’ny katesizy amintsika moa isan’andro ary ao amin’ny faran’ny fiekem-pinoana ataontsika hoe ho avy i Jesoa amin’ny farandro hitsara ny velona sy ny maty : izay ilay mbola tsy fantatra na rahoviana na rahoviana. Fotoana ahatongavan’i Jesoa tsy ampoizintsika koa anefa ny fotoana hafatesantsika : io koa dia fotoana tsy ampoizina ary tsy mampiomana nefa na iza na iza dia tratran’izay fahafatesana izay avokoa. Mbola anisan’ny fotoana andrasana koa ny fahafatesana ka na tsy maniry ny ho faty aza isika dia tokony ho vonona mandrakariva amin’izany. Fa aza adino anefa fa tonga isan’andro ao amin’ny fiainantsika i Jesoa fa indraindray tsy tsapantsika izany : ao amin’ny vavaka ataontsika, ao amin’ny namantsika indrindra ireny madinika sy mahantra ireny, ao amin’ireny olona voatokana hitory azy ireny izay ataontsika tsinontsinona indraindray, ao amin’ny fiainantsika andavanadro : fialam-boly isan-karazany, asa aman-draharaha sns. Aoka àry isika tsy ho difotra ao anatin’ireny fa ho vonona hiambina mandrakariva fa hoy i Jesoa manamafy hoe ho avy amin’ny ora tsy ampoizina ny Zanak’olona.