Talata 24 aogositra 2021 — Masindahy Bartelemia, Apôstôly — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 45-51
Ry kristianina havana ! Mankalaza manetriketrika an’i Masindahy Bartelemia, Apôstôly, ny Eglizy androany ka mifanaraka amin’izay koa ny Evanjely naroso nohenointsika sy ho tsakotsakointika teo. I Bertelemia moa araka ny légende henontsika amin’ny tantaran’ny olomasina dia i Natanaely izay voalaza ao amin’ny Evanjely ihany. Toetra roa lehibe nampiavaka azy dia ny fahadiovana sy ny fahatsorana izay anisan’ny nideran’i Jesoa azy ka nampanantenan’i Jesoa azy zavatra iray lehibe rehefa niaiky sy nino izy fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra. Izay no antony hanentanana antsika mandrakariva fa ny finoana no zava-dehibe ary io finoana io no tohanan’ny ezaka ataontsika hiaina azy ao anaty fitiavana, fahadiovana ary fahatsorana tahaka an’i Natanaely dia afaka manantena fahasoavana miompampana mandrakariva amin’i Jesoa isika.
Ambaran’i Filipo tamin’ny Evanjely nosoratan’i Masindahy Joany teo raha nilaza ny Vaovao Mahafaly tamin’i Natanely izy fa nahita maso ilay ambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia Jesoa. Tsarovy mandrakariva fa ny Lalana sy ny Mpaminany dia manamabara ny fanekem-pihavanana taloha ary manomana ny fahatongavan’i Jesoa avokoa. Tanteraka tao Aminy izay voalaza rehetra tany. Tsy tongatonga ho azy io Jesoa inoantsika sy arahintsika io fa misy fiomanana lavitra ezaka nanomana ny fahatongavany ka hanasana antsika handalina hatrany koa ny voalaza any amin’ny Testamenta Taloha mba hahafahantsika miaiky tahaka ireo Apôstôly fa Izy tokoa no Zanak’Andriamanitra.
Fahatelo araka ny voalaza teo dia manana adidy isika hitory ny Vaovao Mahafaly. Tsy hitazona ho antsika samirery izay azontsika fa hanambara sy hizara izany amin’ny hafa. Na inona na inona zava-misy sy mety ho sakana dia tsy tokony hampihemotra antsika izany satria mila ny fizarana hafaliana sy fahasoavana vokatry ny finoantsika avy amintsika ny hafa, indrindra ireo mbola tsy naharay ny Vaovao Mahafaly. Ireo Apôstôly ireo moa dia saika maty martiry avokoa satria nanatanteraka am-pitiavana sy am-pahatsorana ary am-pahadiovam-po ny iraka nampanaovin’i Jesoa azy ireo avokoa izy ireo. Izany no mampahavokatra ny finoana ka ananantsika adidy ankehitriny ny manohy azy. Manana adidy àry ny vita batemy rehetra hitory, koa aoka isika tsy hiroro fo fa hanao izay manadrify antsika tahaka ny nataon’ireo Apôstôly sy ny dimbiny talohantsika ireo. Aza mandraraka ilo mby an-doha fa alao hery.