Zoma 27 aogositra 2021 — Herinandro faharaika amby roapolo mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 1-13

Ry kristianina havana ! Manamafy sady manohy ny filazany ny hiavian’ny Zanak’olona amin’ny farandro dia izy tenany i Jesoa manao ity fanoharana tsara sady mahaliana nefa mampitandrina antsika ity : virjiny adala sy virjiny hendry. Ny fototry ny zavatra tian’i Jesoa ambara dia ny fiambenana tokony hataontsika satria ao amin’ny faran’ny Evanjely teo dia mbola averiny indray hoe : “Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”. Izy moa tao amin’ny toko faha-24 dia nilaza mazava fa Andriamanitra irery ihany no mahalala izany fotoana izany fa na izy tenany aza tsy mahalala. Raha fantatra tokoa manko izany fotoana izany, iza amintsika no tsy hiomana ?

I Jesoa eto no mpampakatra. Faly izy sady tia antsika ary tonga hihaona amintsika, isika izay ampakarina dia tsy iza fa ny Eglizy. Te hampiditra antsika rehetra ho isam-pianakaviany izy tahaka ny mpampakatra mampakatra na mampiditra ny fofom-badiny ho isan’ny fianakaviany. Ny fiainana maha kristianina ho an’i Jesoa dia izay : dia be manatona hihaona amin’izy tia antsika. Ny lalana izoran’ny tovovavy ampakarina manatona ny tovolahy mampakatra azy sy ny faniriany te ho isam-pianakavian’ilay tovolahy ka hilofosany no tian’i Jesoa ihany koa ho hetahetantsika te ho isam-pianakaviana ka hilofosantsika amin’izany andro aman’alina. Ity endriky ny fifankatiavan’ny mpifamofo ity moa dia efa fomba amam-panao hatrany aloha tany ao amin’ny Baiboly ka noraisin’i Jesoa izany hanaovana fanoharana entina hilazana amintsika fa tia antsika olombelona Andriamanitra ary isika olombelona kosa dia miezaka manatona an’Andriamanitra mihaona Aminy. Nohariana hitoetra ao amin’Andriamanitra isika ary izany no mampiavaka antsika amin’ny voahary rehetra. Noho izany dia afaka mifanakalo sy mifampizara fitiavana amin’Andriamanitra isika.

Mazana moa ny fampakaram-bady tara foana, hany ka rendri-tory ireo mpitondra fanala hitsena azy. Toy izay koa ny fiverenan’i Jesoa izay tsy fantatra. Hamafisiny ny voalazany omaly eto : mety hieritreritra isika fa mbola ho ela izy vao ho avy ka toy ny tsy eo anivontsika mihitsy aza izy na toa adino mihitsy indraindray. Izany no mahatonga azy manantitrantitra hoe miambena. Omaly dia ny endriky ny mpangalatra no nalainy hilazany ny fahatongavany izay tampoka ; androany kosa indray dia ny mpampakatra tonga amin’ny misasaka alina indray no anehoany azy fa ny tena asongadiny dia mbola izay fiverenany amin’ny ora tsy ampoizina izay avokoa. Noho izany, na ho inona endriny na manao ahoana fisehony dia tokony ho vonona mandrakariva isika handray ny fahatongavany. Ao anatintsika ve izany hetaheta ny fahatongavany izany sa dia mbola toy ilay matahotra fahafatesana isika ka hanamafy ilay hoe aleo maty rahampitso toy izay maty anio ? Miezaka ve isika hanao izay fomba rehetra toy ny nataon’ireo virjiny hendry mba ahafahana maharitra amin’ny fiambenana na ny fiandrasana ary ho vonona amin’izay rehetra miseho hahatomombana ny fandraisana ilay vahiny ho tonga amin’ny ora tsy ampoizina ? Ny efitrano nidiran’ny mpampakatra ato amin’ny fanoharana moa dia tandindon’ny lanitra izay toerana hihaonantsika aminy rahatrizay fa io lanitra io dia azontsika atomboka dieny ety an-tany: “manomboka ety an-tany ny paradisa” hoy ny hirantsika. Araraoty ny fotoana ananana ety an-tany hanomanana ny fiavian’ny mpampakatra dia i Jesoa ho avy am-boninahitra amin’ny ora tsy ampoizina mba tsy ho tahaka ilay virjiny adala isika.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...