• Hitohy anio eny Tsimbazaza, manomboka amin'ny 10 ora maraina indray, ny fihaonana mivantana eo amin'ireo Solombavam-bahoaka sy ny mpikamban'ny Governemanta, tarihin'ny Praiminisitra Ntsay Christian, rehefa nifarana omaly tamin'ny 8 ora alina... • Mampanahy amin'ny hanomezana ny Jirama ho an'ny sehatra tsy miankina ny nanovana ny sata mifehy ity orinasam-panjakana ity, hoy ny sendikan'ny mpiasan'ny angovo sy rano malagasy... • Hotanterahana anio ny fifidianana izay ho solontenan'ny mpanao gazety eo anivon'ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon'olombelona na ny CNIDH. Miisa 8 ireo kandida hifaninana amin'izany...

• Nafampana sahady ny fifanazavana teny Tsimbazaza teo amin'ireo Solombavam-bahoaka sy ireo mpikamban'ny Governemanta, androany. Nateti-piavy tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny depiote ny delestazy, ny tsy fandriam-pahalemana... • Mampanahy amin'ny hanomezana ny Jirama ho an'ny sehatra tsy miankina ny nanovana ny sata mifehy ity orinasam-panjakana ity, hoy ny Sendikan'ny mpiasan'ny angovo sy rano malagasy... • Nomarihina androany ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza. Tsy tokony hisy ankizy, na iray aza, hiasa sahady eto Madagasikara, hoy ny Vovonan'ireo fiarahamonim-pirenena miaro azy ireo eto amintsika...

♦ Miaka-dapa eny Tsimbazaza nanomboka androany ny mpikamban'ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian. Fotoana ahafahan'ny solombavambahoaka mametraka fanontaniana amin'ny fahefahana mpanatanteraka momba ny fizotry ny raharaham-pirenena... ♦ Mahatratra 100 tapitrisa Dôlara isam-bolana ny vola nomerika mivezivezy eto Madagasikara. Tsy maintsy amafisina ny fahamalinana manoloana izany hoy ny Tale Jeneralin'ny SAMIFIN... ♦ Nanomboka androany etsy amin'ny CCI Ivato ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahan-tany (ITM) andriany faha-11 sy ny Foara Iraisam-Pirenena ho an'ny Asa-tanana andiany faharoa...

♦ Hihaona amin'ny Papa Léon XIV any Vatican ireo Evekan'i Madagasikara ; izy ireo izay manao fivahinianana Masina ao Rôma... ♦ Mitodika eny Tsimbazaza ny fahalianan'ny mpanara-baovao politika. Hihaona amin'ny solombavambahoaka ireo mpikamban'ny governemanta anio sy rahampitso zoma, horesahina ny fiainam-pirenena... ♦ Hotanterahana eto Madagasikara ny herinandro fampiroboroboana ny Indostria ao amin'ny SADEC. Hetsika hotanterahana ny 28 hatramin'ny 1 aogositra izao. Handray anjara amin'izany ny Malagasy Mpandraharaha...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...