♦ Tsy misy afa-tsy fitoriana roa avy amin'ny kandidà, no voarain'ny HCC, hatramin'ny androany... ♦ Arahanao amin'izao vaovao izao ny fanambarana nataon'ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana, ireo mpitarika sendikaly roa lahy, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana androany. Hotanterahana amin'ny 12 desambra 2023 ny fotoam-pitsarana...
♦ Nanamafy ny eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena fa tena jiolahy, ireo olona dimy namoy ny ainy, tamin'ilay fifampitifirana teny Andohanimandroseza... ♦ Rahampitso amin'ny 10 ora maraina no hamoaka ny vokatra vonjy maika tamin'ny fifidianana ny 16 nôvambra 2023, ny CENI. Efa ny 91%-n'ny birao fandatsaham-bato no namoahany vokatra tamin'ny 10 ora maraina teo... ♦ Vehivavy iray amin'ny telo no mbola iharan'ny herisetra eto Madagasikara, raha ny tatitry ny FNUAP. Laharana faha-14 maneran-tany isika amin'ny fampanambadiana ankizy tsy ampy taona, izay matetika iharan'ny herisetra ao an-tokantrano...
♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan'izy ireo omaly, nandritra ny fitsidihana tao Vatican... ♦ Mitana ny sain'ny mpanara-baovao ilay fifampitifirana nahafaty olona dimy teny Amparihikely Andohanimandroseza, ny talata teo... ♦ Hiakatra Fampanoavana eny amin'ny Fitsarana anio, ny mpandrindra ny Randrana Sendikaly sy ny Filohan'ny SECES Sampana Antananarivo. Indroa alina izy ireo no notazonina teny Fiadanana. Nampangaina ho manohintohina ny fiandrianam-panjakana...
♦ Mitana ny sain'ny maro ilay fahafatesan'olona dimy notifirin'ny mpitandro ny filaminana teny Andohanimandroseza. Mbola ao anatin'ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro ny filaminana amin'izao, ka efa nisy ny olona nohenoina momba izany... ♦ Tsy misy fifandraisany amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena ireo olona dimy namoy ny ainy, noho ny raharaha fifampitifirana teny Andohanimandroseza. Nanao fanambarana momba izany ireo mpiasa akaiky an-dRamatoa Christine Razanamahasoa...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco