♦ Nihaona tamin'ny Papa Léon faha-14 ireo Evekan'i Madagasikara mandritra ny Fivahinianana Masina any Vatican... ♦ Tafakatra 12 ireo namoy ny ainy vokatr'ilay fahapoizinana ara-tsakafo faobe nitranga ny sabotsy teo. Olona 13 hafa marary mafy, raha ny tarehimarika ôfisialy navoakan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, omaly hariva... ♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakàna CEPE ireo zandry zanaka amin'ny taona fahadimy anio talata. Mpiadina maherin'ny 570.000 no hiatrika izany manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Vao mainka miha-mafy ny ady eo amin'i Israel sy i Iran. Rava omaly ny tranobe misy ny foiben'ny fahitalavi-panjakàna iraniana IRIB ao Téhéran...

• Nihaona voalohany tamin'ny Papa Léon XIV androany ny Evekan'i Madagasikara... • Olona 9 tamin'ireo 39 notsaboina noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tamin'ny trano fandraisam-bahiny iray, no maty teny amin'ny HJRA... • Naneho hevitra ho an'ireo mikasa ny hanakantsakana ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonan'ny SADC, ny Praiminisitra Ntsay Christian androany...

♦ Natao hanampy ny fitondrana mpanatanteraka amin'ny asany ny fihaonana eo amin'ny loholona sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona Richard Ravalomanana... ♦ Mbola azo atao tsara ny manarina ny orinasa JIRAMA raha tena atao laharam-pahamehana hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Nitrangana fanampoizinana ara-tsakafo nandritra ny lanonana iray nitranga teny Ambohimangakely omaly alahady, anatin'ny fanadihadiana hamaritana ny zava-nitranga nahatonga  izany ny tompon'andraikitra amin'izao fotoana izao...

♦ Nihaona tamin'ireo mpino teratany Malagasy mipetraka any Rome omaly alahady ireo Evekan'i Madagasikara nandritra ny hetsika fivahinianana Masina ataon'izy ireo any an-toerana... ♦ Fepetra isany takian'ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ho an'ny famatsiam-bolan'ny FEC sy ny FRD 2025 ny volavolan-drija-tenin-dalàna mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakàna vaovao, izay nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana ny faran'ny herinandro teo...♦ Tsy tanteraka ilay hetsika nokasain'ny Gasy MRV, saika natao teny Antanimbarinandriana tamin'ny sabotsy teo, hetsika saika hanehoana hevitra momba ny olan'ny delestazy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...