♦Olan'ny famatsiana rano sy herinatra : Miha mitombo hatrany ireo toerana sy faritra hanaovan'ny mponina hetsika fanoherana ao Antananarivo-Renivohitra... ♦ Tsy nisy afa-tsy 17% ny vohoakan'Antananarivo renivohitra no nahavita nandoa ny hetrany tamin'ny taona 2021, nahatratra 3.000 mahery ireo fitarainana sy fangatahana fanitsiana hetra voarain'ny Kaominina... ♦ Antony faharoa hanatonan'ny olona ny toeram-pahasalamana ary aretina fahatelo mahatonga fahafatesana eto Madagasikara ny tazo moka... ♦ Any Gaza : 2 taona nisesy izao no niaina taona fotsy ireo mpianatra Palestiniana, mandranto fianarana amin'ny fampiasana teknolojia ampitain-davitra voakatr'izany ireo ankizy...
♦ Fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina : Naharaisana taratasy firotsahan-kofidiana avokoa ny kaominina 1.695, ny alatsinainy 30 septambra no hamoaka ny lisitra vonjimaikan'ireo kandidà ny OVEC manerana ny nosy... ♦ Olan'ny vokam-panadinana bakalôrea tany Toamasina : Nandray fepetra hiantso ireo mpiadina afaka tamin'ny alalan'ny "délibération" nefa tsy voasoratra tao anatin'ny peta-drindrin'ny "université" ny sampandraharaha misahana ny fanadinana bakalôrea any an-toerana... ♦ Nahazo tohana tamin'ilay fandaharan'asa Business Linkage Program vatsian'ny Banky Afrikana ho an'ny fampandrosoana ny orinasa madinika sy salatsalany miisa 300 avy amin'ny Faritra 18 teto Madagasikara...
♦ Tsy afaka mirotsaka ho Ben'ny Tanàna any Fianarantsoa, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Christine Razanamahasoa... ♦ Fampiroboroboana ny dinika sôsialy eny anivon'ny orinasa, no niadian-kevitra sy nasongadina, nandritra ny fanamarihana ny andro natokana ho an'ny Ivom-pirenena momba ny asa... ♦ Niadian-kevitra an-databatra boribory, niarahan'ny CREA sy ny Ivontoerana fikarohana ho an'ny fampandrosoana eo anivon'ny Université Catholique de Madagascar, ny fanomezan-danja ny maha olona...
♦ Antontan-taratasy firotsahan-ko fidian'ny Ben'ny Tanàna amperin'asa, Andriambolanarivo Parisoa ihany, no voarain'ny OVEC ho an'ny Kaominina Imerintsiatosika... ♦ Zara raha manondrana ny ampahafolon'ny vokatra trondro azo avy amin'ny jono i Madagasikara, isan-taona... ♦ Mbola misedra olana amin'ny fisitrahana rano madio fisotro sy toeram-pivoahana sy fidiovana ny any ambanivohitra...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco