♦ Velon-taraina ireo tantsaha mpamboly hasy, maherin'ny 150.000 any amin'ny Toliara Faharoa, fa iharan'ny olana samihafa ny lalam-pihariana ifotoran'izy ireo... ♦ Mangataka ny fahazoana mivarotra ireo tahin'andramena nogiazana efa an-taonany maro ary tsy azo amidy, ireo mpandraharaha any amin'ny Disitrikan'Antalaha, manoloana ny olana ara-pihariana ankehitriny...
Alakamisy 6 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-11
♦ Maherin'ny 400 ireo mararin'ny Covid-19 no sitrana soa amantsara ny talata faha-4 ny volana mey, raha toa ka 120 mahery ny isan'ny tranga vaovao tamin'ny fitiliana 400 mahery. Miisa valo ireo lavon'ny aretina... ♦ Niverina an-tsekoly androany ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana ho an'ny CISCO Antananarivo Renivohitra. Lehiben'ny CISCO telo tamin'ny Faritra Anosy kosa no nesorina ary nosoloina vaovao...
Manentana ny kristianina rehetra maneran-tany ny Papa François amin'ity volana mey ity hanandratra vavaka miaraka amin'i Masina Maria, mba hitsahatra ny valanaretina Covid-19. Izao fitsapana izao no hanehoantsika ny finoantsika tsy azo hozongozonina
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco