♦ Tanora miisa 133 no voafantina, nahazo tany maimaim-poana avy amin'ny fitondram-panjakana, tany Vakinankaratra. Natomboky ny Filoha Andry Rajoelina tany Andranomanelatra androany ny fanomezana ny "titre"... ♦ Nanomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany ny fivoriana ara-potoanan'ny Solombavambahoaka sy ireo Loholon'i Madagasikara. Tamin'ny alalan'ny "visioconférence" no nanaovana izany ho an'ny Antenimieram-pirenena. Nivantana kosa izany ho an'ny Antenimieran-doholona...
Tamin’izany andro izany, nony nitodika i Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: "Tompoko, iza no hamadika Anao?" Ary nony nahita azy i Piera dia hoy izy tamin’i Jesoa: "Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’itý?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Raha tiako hitoetra izy mandrapiaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha Ahy ianao." Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany? Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany. Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.
Tamin’izany andro izany, nony avy nisakafo niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa, dia nanao tamin’i Simôna Piera hoe: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko." Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy va ianao?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko." Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy va ianao?" Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rahefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao."
Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: "Manaraha Ahy."
Tamin’izany andro izany, niandrandra ny lanitra i Jesoa, ka nivavaka hoe: "Tsy ho azy ireto ihany no angatahiko, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa: mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao Aminao, ary mba hiray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika: Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy, ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy. Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomena Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho."
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco