Alarobia 16 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

♦ Notanterahana androany ny fanadinana CEPE Katôlika manerana ny nosy. Ho fanehoana ny maha izy azy ny sekoly katôlika no tanjona kendrena, hoy Mompera Ranivoson Jules, Talen'ny DINEC... ♦ Mitaky ny ivoahan'ny marina momba ny anton'ny nahafaty an'i Mendrika, tovolahy 15 taona monina ety Ivato, ny mpiara-monina sy ireo niara-niaina taminy. Miantso ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo...

♦ Nahazo famatsiam-bola 40 000 000 dôlara avy amin'ny  governemanta amerikàna, hanampiana ny lafiny sôsialy, noho ny hain-tany ny faritra atsimon'ny nosy. Olona maherin'ny 720 000 no hisitraka izany... ♦ Ny antoko TIM no tokony ho eo amin'ny toeran'ny lehiben'ny mpanohitra eto Madagasikara, raha ny hevitr'Andriamatoa Clément Jaona... ♦ Mbola hitohy ny hatsiaka aty afovoan-tany, mety arahin'erika mihitsy hatramin'ny faran'ny herinandro. Hihidina hatrany amin'ny 3°C ny mari-pàna ambany indrindra eto Madagasikara... 

♦ Hiverina amin'izay ny fivorian'ny Pretra eto amin'ny diôsezin'Antananarivo, rehefa niato noho ny hamehana ara-pahasalamana... ♦ Hiala nenina hitaky fanazavàna amin'ny fitondràna amin'ny tohin'ny fitakiana ireo "iles éparses" ny antoko Otrik'afo sy ny mpiara-dia aminy... ♦ NItokona omaly ireo mpiasan'ny taxi-be zotra H mampitohy ny renivohitra amin'Avaradrano iny. Tsy eken'izy ireo ny fanovàna toeram-piantsonana napetraky ny kaominina Antananarivo... 

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...