Mety hanimba ny fihavanana ny fifaneraserana andavanandro noho izany ny havana tiana dia tsy hiaraha-monina. Hanamafisana ny fihavanana dia natao adidy ny "mifamangy" ary arahina fanomezana aza izany rehefa andro fety, ho an'ny ray aman-dreny. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Sabotsy 12 jona 2021 — Fo Madion'i Maria — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin'Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-51

♦ Hohatsaraina ny fomba fitsarana ny voka-pifidianana, hoy ny Filoha vaovaon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Tontosa androany teny Ambohidahy ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filohan'ny HCC teo aloha... ♦ Hanao fanadihadiana parlemantera sy hampiantso ny Minisitry ny Fitsarana ny eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, momba ilay raharaha ady tany eny Antanandrano, hoy Andriamatoa Naivo Raholdina. Nidina ifotony teny an-toerana androany ity Solombavambahoaka ity...

Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio... 

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...