♦ Miroso miandalana any amin'ny fananganana fotodrafitr'asa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena handraisana ny voafonja i Madagasikara, isan'izany ny etsy Imerintsiatosika... ♦ Rindrambaiko e-GP : Hampiarina manomboka amin'ny taona 2022 ny tsy fampiasàna atontataratasy amin'ny dingana arahina amin'ny tsena-baro-panjakàna... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hamoaka didy, hanafoana ny femerana ny vidiny lavanila any ivelany ny avy any amin'ny Faritra Sava sy Analanjirofo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...