Ireo vahivavy vao avy niteraka dia mila manao mafana tsara sy harahina maso ny fahasalamany, manomboka amin'ny fotoana niterahany hatramin'ny fiverenany fadimbolana. Nandritra ny 9 volana no nitondrany vohoka ka rehefa teraka dia misy dingana maromaro hiverenan'ny tranon-jaza amin'ny laoniny... 

♦ Misy olona karohana izay mampiasa vola hatrany amin'ny 3 000 000 Ariary amin'ny hetsiky ny mpianatra any Toliara, hoy ny sekreteram-panjakàna miadidiy ny zandarimaria... ♦ Efa miroso ny dinika amin'ny hampiasàna taxi-be amin'ny lalana Rocade Iarivo izay ho tokanana amin'ny 24 Jona ho avy izao... ♦ Ankizy 10 taona hatramin'ny 19 taona ao amin'ny Cisco 4 eto amin'ny faritra Analamanga no afaka handray anjara amin'ilay fifaninanana velan-kevitra karakarain'ny Forum de Bénévoles Analamanga sy ny Aide et Action... 

Mampisy fifandraisana ara-pianakaviana ny fanekena hatrany ny sitrapon'Andriamanitra mba hahatsara ny fiainan-tokatrano. Ny fanabeazana ara-pinoana kristiana omena ny zaza dia manamora ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny fianakaviana,iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Sabotsy 19 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...