♦ Misedra fahasahiranana ny toe-karena malagasy hoy Profesora Ralison Roger ka tokony hanova famindra amin'ny politikam-pitantanana ny mpitondra... ♦ Misaraka ho roa i Vatovavy Fitovinany. Nankatoavin'ny loholona omaly ny tolo-dalàna mamaritra ny faritra faha-23 etp Madagasikara... ♦ Nahavita vaksiny hiarovana amin'ny Covid-19 ny voafonja miisa 130 eny amin'ny fonjan'Antanimora. Fiaraha-miasan'ny ministeran'ny fitsaràna tamin'ireo mpiara-miombon'antoka... 

♦ Nidina an-dalambe indray omaly ny mpianatry ny ny Oniversiten'i Toliara sy Fianarantsoa. Olona iray no maty tany Toliara noho ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana... ♦ Valan'aretina Covid-19, tranga vaovao 32 no hita tamin'ny fitiliana 600 ny talata teo. Teto amin'ny faritra Analamanga ny 23 tamin'ireo. Iray no lavo... ♦ Nikarakara lohabary an-dasy, ranty boky ny trano fivarotam-boky Md Paoly eny Analakely-Antananarivo ho fanamarihana ny iray volan'ny teny malagasy... 

Fototra ho fampaharetana ny fihavanana ny fifandeferana sy ny faharetana, na eo aza ny hevitra sy ny toetra tsy hitovizana. Fitaovana ihany ny fandeferana sy ny faharetana fa ny fitiavana marina sy tsotra no lehibe indrindra. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamaherina Robert Maria... 

Alakamisy 17 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 6, 7-15

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...