♦ Hanomboka anio ny adina ara-panatanjahantena ho an'ny fanadinana Bakalôrea eto Antananarivo sy ny manodidina. Nilaza ny mpikarakara fa anio sisa no misy fizaràna taratasy fiantsoana... ♦ Nisy olona 04 matin'ny aretina coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 02 andro, tranga vaovao 47 no hita, raha ny tarehimarika navoakan'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Hisokatra manomboka anio ny fotoam-pihotazana lavanila any amin'ny distrika Antalaha Sava. Manahy mafy ny hidinan'ny vidim-bokatra anefa ny tantsaha... 

Avy amin'ny olombelona ihany koa ny finoana satria valin-tenin'ny olombelona amin'ny Fanambaran'Andriamanitra. Tsy miankina amin'ny  zavatra hita maso na fahagagana sy famantarana ny finoana fa miainga amin'ny fahatsapana ny asan'Andriamanitra eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i Rakotomanantsoa Jean Louis.

Alatsinainy 5 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26

Samy tsy hita maso na Andriamanitra na ny soa ampanantenainy; rehefa mino fa misy Andriamanitra dia mibanjina Azy ao am-po na tsy mahita azy aza ny masom-batana. Avy amin'Andriamanitra ny finoana satria "tsy misy mahalala Azy raha tsy Izy no manambara ny tenany. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...