Alakamisy 7 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13

Matetika rehefa mivavaka ny olona iray dia ny fangatahana no mibosesika ao am-bavany. Toa adinodino ny misaotra rehefa mba mahazo zava-tsoa avy amin'Ilay Mpahary. Maro anefa no azo entina anehoana ny vavaka, toy ny fifonana, ny fiderana…

Mahakasika izay fangatahana izay indrindra dia izay zavatra sahaza ny tena no tokony hitalahoana amin'Andriamanitra, mba tsy hitomany randrana tsy manendrika ny tena. Satria i Kristy ihany no efa nilaza fa na mbola tsy mangataka amin'ny Ray aza isika dia efa fantany izay ilaintsika. Ny ilain’Andriamanitra amintsika dia ny mba hianteherantsika Aminy ary ny vavantsika miteny Aminy no tokony hanehoantsika fa tsy mahavita tena isika.

Ny toe-po amam-panahy faharoa tokony hananantsika rehefa mangataka amin'Andriamanitra dia ny fahatokisana sy faharetana satria izay mivavaka amim-pitokiana ombam-paharetana no mahazo valiny amin'Andriamanitra. Matetika tokoa dia tsy mivaly eo noho eo ny zavatra angatahana, ary indraindray aza tsy mivaly mihitsy. Tsarovy anefa fa mahalala izay mahasoa antsika Andriamanitra. Tsy miangatra akory Izy fa manolotra izay sahaza sy izay mahasoa. I Masindahy Jean Marie Vianney no nanamafy fa "toy ny rano manondraka an-jaridaina ny vavaka ka mila mahavonto isan’andro isan’ora mandritra ny fotoana maro vao mahavokatra".

Ry havana, tia antsika zanany Andriamanitra ka tsy mikendry afa-tsy izay rehetra mahasoa an-janany. Samia mangataka amim-pinoana sy faharetana amin'Andriamanitra, fa ny valala aza hono tsy azo raha tsy handriana hilika. Noho izany vavaka amim-pinoana, vavaka amim-pitokiana, vavaka amim-paharetana ! Izany no takian’i Kristy hataontsika satria ny finoana sy ny fahatokisana ary ny faharetana no fepetra ilaina hahazoana izay hangatahina.

Androany 7 oktobra dia tsiahivina fa fahatsiarovan’ny Fiangonana manokana an’i Masina Maria Virjiny Mpanjakavavin’ny Raozery. Ny Raozery dia amboaram-bonindraozy enti-midera sy manaja ilay Reny iombonana malalantsika any an-danitra. Fomba fivavaka tsara sy mahomby ary mahasoa enti-mangata-bonjy amin'i Masina Maria ao amin'ny Fiangonana. Ara-tantara dia tamin'ny alalan’ny fanaovana Raozery no nandresen’ny Eglizy ny fahavalo izay nanenjika sy nanohitra ny fivavahana kristianina tany amin'ny faritra Eoraopa. Midika izany fa mitohy hatrany ny asam-panavotana sy ny misterim-pamojena ataon’i Masina Maria amintsika olombelona izay efa natombony tamin'ny fanomezany an’i Jesoa izay hamonjy an’izao tontolo izao. Mazotoa àry manao sapile na Raozery mba hanamafisantsika ilay fiombonam-piainana amin'i Masina Maria.

‘Zaho mametra-tena am-pelatananao ry Maria mamiko. ‘Zao no fikasako sitrapo tokoa, zaza tsara taizan’i Maria. Masina Maria Mpanjakavavin’ny Raozery mivavaha ho anay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...