• Tra-tehaky ny zandary tany Anjeva sy teny Sabotsy-Namehana ireo roalahy namaky trano sady nandratra zaza manana toe-batana "autiste" teny amin'ny Fokontany Amboidiafontsy Kaominina Ampitatafika, Distrika Atsimondrano...
  • Niverina an-tsekoly nanomboka androany ireo mpianatra amin'ny sekolim-panjakana eto Analamanga rehefa avy niato nandritra ny tapa-bolana, mbola manana fotoana hanenjehana ny fandaharam-pianarana ireo sekoly...
  • Niverina amin'ny fitiavan'ny mpankafy azy teo aloha ny karaté Malagasy. Hita taratra tamin'ilay fifaninana "Coupe de Madagascar enfant et féminine" andiany faharoa hoy ny filohan'ny Federasiôna...
  • Mihatsara ny fahasalaman'ny Papa François, 17 andro aty aorian'ny nidirany Hopitaly tao Gemelli, araka ny fampahalalam-baovao avy eo anivon'ny Fiketrahaa Masina...

03 marsa — Mbola vao folo taona monja i Guénolé dia nentin'ny ray aman-dreniny tany amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nosy Lavret any Côtes-d'Armor. Ireo ray aman-dreniny ireo dia i Masindahy Fragan sy i Masimbavy Gwen. Tamin'ny taonjato fahadimy no niaina i Guénolé.

Ny Mpisorona "sacerdoce" : ny mahazatra antsika andavanandro ankehitriny dia Pretra satria ny mpisorona araka ny voambolana vahiny dia mitovy dika amin'ny pretra ; izany hoe manana anjara asa manolotra ny vavaka na sorona ho an'ny tenany na ho an'ny hafa amin'Andriamanitra. Azo lazaina ho vavaka ihany koa ny sorona satria amin'ny endrika vavaka... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

3 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...