13 aprily — Ny papa Martin Voalohany no tsaroana amin'izao andro izao. Voafidy ho papa izy ny volana jolay 649. Avy any Todi (Ombrie) izy, ary légat tao Constantinople. Ny taona voalohany naha papa azy dia nanmpiantso Kônsily tao Latran izy ary namaritra lalana teôlôjika nanameloka ny fampianaran-diso monothélite sy ny fampianarana byzantine naelin'ny amperora Héraclius tamin'ny taona 638.

Ny volana jona 653, nosamborin'ny amperora Constant II izy, ary nentina tany Constantinople, nogadraina ary nahondrana tany Crimée ary maty tao ny taona 655. Nomena ny laharana martiry i Martin Voalohany, ary tsy lefy laza izy miaraka amin'ireo teôlôjianina Aban'ny Fiangonana Tatsinanana toa an-dry Maxime le Confesseur.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...