13 aprily — Ny papa Martin Voalohany no tsaroana amin'izao andro izao. Voafidy ho papa izy ny volana jolay 649. Avy any Todi (Ombrie) izy, ary légat tao Constantinople. Ny taona voalohany naha papa azy dia nanmpiantso Kônsily tao Latran izy ary namaritra lalana teôlôjika nanameloka ny fampianaran-diso monothélite sy ny fampianarana byzantine naelin'ny amperora Héraclius tamin'ny taona 638.

Ny volana jona 653, nosamborin'ny amperora Constant II izy, ary nentina tany Constantinople, nogadraina ary nahondrana tany Crimée ary maty tao ny taona 655. Nomena ny laharana martiry i Martin Voalohany, ary tsy lefy laza izy miaraka amin'ireo teôlôjianina Aban'ny Fiangonana Tatsinanana toa an-dry Maxime le Confesseur.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...