♦ Manoso-kevitra ny hanafoanana na hanovàna ny lalàna mifehy ny HCJ, ilay fitsarana mitsara ireo mpitondra ambony, Ramatoa Sahondra Rabenarivo. Nambarany fa lasa fitsarana politika no misy eo anivon'ity fitsarana ambony ity... ♦ Niakatra ho 35% ny tahan'ireo very asa hatramin'ny nisian'ny valan'aretina Covid19 teto Madagasikara. Hizara fiofanana handrisihana ireo tanora nahavita fianarana sy very asa ny All-Com-Event ny faran'ny volana avrily izao... ♦ Mikasa ny hampiantrano ny "Mondial" eo amin'ny taranja "rugby" ho an'ny latsaky ny 20 taona i Madagasikara. Anisan'ireo firenena nametraka fangatahana handray izany isika, hoy ny filohan'ny federasiôna...

♦ Niantso ny filohan'ny Antenimieran-doholona hanaja ny fisaraham-pahefana ny SMM. Nanao fanambarana ny SMM fa talanjona tamin'ny nilazàny fa hampiantso ny Bianco sy ny PAC, momba ireo ben'ny tanàna notazomina am-ponja... ♦ Vola 111 miliara Ariary eo ho eo nogiazana, noho izy ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nilaza ny CSI fa tsy azo ampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana ireo vola ireo, raha tsy tafapetraka tsara ireo rafitra miady amin'ny kolikoly... ♦ Nihemotra tamin'ny fanapahan-keviny ny fitondram-panjakana manoloana ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany izay nampitaraina ireo fiaraha-monim-pirenena. Haverina hodinihina eny amin'ny Antanimieram-pirenena indray izy io manomboka izao...

Ny fiangonana dia manana anjara amin'ny fampatsiahivana sy ny tari-dalana ary manome ohatra amin'ny fanabeazana. Ny fiangonana dia manana adidy amin'ny fanabeazana sy fanofanana mba hampivoarana ny maha-olona, ary miara misalahy amin'ny fanjakana amin'izany adidy masina izany.  Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Sabotsy 23 aprily 2022 — Sabotsy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...