♦ Miantso ny kristianina hijoro ho vavolombelon'ny herin'i Kristy nitsangan-ko velona i Mgr Marie Fabie Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Fanehoam-pitiavana ny fankalazana ny Paka, ka adidin'ny kristianina ny manompo ny hafa, hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina... ♦ Nanao antso hampanjariana ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, tamin'ny "Urbi et Orbi", ny alahadin'ny Paka 17 aprily 2022...
Tanora 400.000 (efatra hetsy) isan-taona no tonga eo amin’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara araka ny tarehimarika ofisialy. Tsy an’asa avokoa ny atsasak’ireo. Ny 8 alina ihany no afaka mamelo-maso ny fihariana eny ambanivohitra noho ny fandovana tany avy amin’ny ray aman-dreny. Mitaky fifehezana ny famokarana sy ny lalam-barotra handefasana ny vokatra anefa ny fahombiazana. Manana andraikitra amin’ny famolavolana ireo tanora ireo hahafolaka ny famokarana ny vovonam-pikambanana.
Tsara indrindra no nanaovan'Andriamanitra antsika fa isika ihany matetika no manimba sy mamono io hatsarantsika io. Voalohany amin'ny hatsarana ny vatana sy ny saina tomady. Ezaka lehibe no vitan'ny manam-pahaizana nanome mari-drefy hahafantarantsika ny toe-batantsika ka handanjalanjana ny andraikitra raisintsika hitazonana izany.
♦ Nahazo ranom-panafody famonoana valala 40.000 litatra avy amin'ny Fanjakana Marôkanina i Madagasikara. Fiaraha-miasa tamin'ny FAO ny fitaterana izany... ♦ Mangataka ny tsy hanaovana saorona ny zana-bahoaka amin'ny fanaovana Oniversite Maty ny fikambanan'ny tanora avara-pianarana na ny FITAMA. MItaky fifampidinihana eo amin'ny Fanjakana sy ny Seces izy ireo... ♦ Miantso ireo mpitantana ao amin'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra tsy hamotika ny ho avin'ny baolina kitra eto Madagasikara ny malagasy teknisianina mahay sy zatra ity taranja ity...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco