♦ Tsy tafiditra tao anaty lahadinika teny Tsimbazaza indray, tamin'ity fivoriana ara-potoana ity, ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an'ireo antontataratasy miisa roa ambin'ny folo izay hanenjehana tompon'andraikitra ambony... ♦ Voasambotra ny mpivady izao mpangalatra zaza amin'ny alalan'ny fisolokiana, any amin'ny Faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana... ♦ Saika androany zoma kosa vao miroso amin'ny fizarana ny taratasy fiantsoana ireo mpiadina BEPC, ireo sekoly...
♦ Lavin'ireo tompon'orinasa mpikojakoja lalana, manan-trosa amin'ny fanjakna, ny filazana azy ireo ho tsy nahavita ara-dalana ny asa tamin'ny taona 2019. Nilaza ny hanoratra amin'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izy ireo, manoloana ny tsy nandoavan'ny fanjakana ny volany... ♦ Mety ho efa ato ho ato ny fiakaran'ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Noferana ho 25 litatra ny fahafahana mividy solika amin'ny bidon, eny amin'ny toby fitsinjarana solika... ♦ Voaheloka higadra an-tranomaizina enim-bolana i Ninie Donia, noho ilay raharaha fiarovany ny vahoaka noho ny ady tany, tany Nosy-Be...
Sabotsy 9 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33
Feno 10 taona tamin'ity taona 2022 ity, no nijoroan'ny TAFO MIHAAVO. Ny talata 22 mey 2012 no nijoro tany ANJA, Kaominina ambanivohitra Iarintsena, Distrika Ambalavao, Faritra Matsiatra-ambony ny TAFO MIHAAVO na ny TAmbazotran'ny FOkonolona MIaro ny HArena VOajanahary. Namondron-kery ireo Vondron'olona Ifotony na ny VOI miisa 400 avy amin'ny Faritra 17 mba tsy hiady irery intsony rehefa misy ny tsindry mihatra. Tsy izay nefa no mitranga 10 taona aty aoriana.
Zoma 8 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23
♦ Mihaona amin'ny Loholona eny amin'ny lapa maitson'Anosikely indray androany ireo mpikambana ao amin'ny governemanta taorian'ny fihaonana tamin'ny solombavambahoaka nandritra ny roa andro... ♦ Mitotongana hatrany amin'ny 20.000 Ariary ny vidin'ny iray kilao amin'ny lavanila maitso any amin'ny distrikan'i Mandritsara... ♦ Hifarana anio ny fanamarihana ny iray volan'ny teny malagasy tamin'ity taona 2022 ity. Maro ny hetsika nanamarihana izany... ♦ Misedra olana amin'ny famatsiana herinaratra ny atsy Afrika atsimo. Zara raha misy adiny enina isan'andro ny fandehanan'ny jiro nanomboka ny talata...
Ao anatin'ny volana jona no natokana ho iray volan'ny "teny malagasy". Andrianiko ny teniko fa ny any hafa ihany koa ho feheziko, ity fomba fiteny ity dia maneho fa manana ny lanjany teny Malagasy. Ny teny dia manana ny hasiny izay rindrandamina avy amin'ilay Nahary. Manodidina ny "teny" dia ahitana taratra ny kolontsaina sy izay mahaizy ny firenena iray. Fandaharana "Miaina sy mitia".Ny teny dia fitaovana entina hifaneraserana amin'ny hafa ary izay no mandrisika antsika hifehy ny tenin'ny hafa, izany anefa tsy natao hanariana ny kolontsaina mahamalagasy...
Alakamisy 7 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15
Alarobia 6 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7
♦ Nifarana androany tamin'ny 3ora maraina ny fihaonana teo amin'ny antenimieram-pirenena sy ny mpikambana ao amin'ny governemanta. Ny loholona indray no handray azy ireo amin'ity anio ity... ♦ Nitrangàna fanafihana niampy fanolanana renim-pianakaviana niafara tamin'ny fahafatesana tao Ambohibary-Ambohimanga distrika Miarinarivo... ♦ Niverina nitokona indray noho ny tsy fandraisana karama ny mpandraharaha eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Miisa 4,7 tapitrisa ny mponina voakasika ny tondra-drano any amin'ny faritra Assam any Inde...
♦ Maty vokatry ny fanolanana sy ny tsindron'antsy nahazo azy, nandritra ny fanafihana, ny renim-pianakaviana iray, tany Ambohibary Ambohimanga, Kaominina Mandiavato, Distrikan'i Miarinarivo. Mbola manahy amin'ny valifatin'ireo jiolahy ny fianakaviana voatafika... ♦ Nampitandrina amin'ny mety handraisan'ny Solombavam-bahoaka andraikitra manoloana ny olan'ny angovo, ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena... ♦ Ny zotram-piaramanidina miainga eto Madagasikara mankany Dubai hatramin'izao, no tena ahiana hisian'ny fanondranana harem-pirenena...
♦ Sarona teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly tolakandro, ny bolongam-bolamena miisa 7 milanja 835 grama sy vatosoa 20 grama, saika entina antsokosoko ho any Srilanka... ♦ Tsy misy ampihimamba na Monopole ny fanondranana ny lavanila any ivelany, fa tena malalaka, fa tsy maintsy manara-dalàna ny rehetra te-hisehatra amin'izany... ♦ Fianakaviana iray mpanao charbon avy any Antazoho-Mahabo, indray no nataon'olona Firambany na Kidnapping...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco