♦ Andrasana rahampitso ny fanendrena izay ho praiministra vaovao, raha tsy misy ny fiovàna. Hisy mialoha izay ny fihaonana eo amin'ireo solombavambahoaka maroanisa sy ny filohan'ny repoblika... ♦ Antony mampihisatra ny fanendrena izay ho praiministra ny fifanarahana ara-politika misy eo amin'Andriamatoa isany Rajoelina Andry sy Ntsay Christian hoy i Guy Maxime Ralaiseheno... ♦ Hiverina ho tapaka indray rahampitso ny lalana ao amin'ny lalam-pirenena fahafito (RN7) ao Mahazengy noho ny fametrahana ny tetezam-by... ♦ Hanampy trotraka ny fahavoazan'ny mponina lasibatry ny horohoron-tany any amin'ny faritra andrefan'i Japon ny fiavian'ny hatsiaka mamirifiry sy ny firotsahan'ny orana...

Vaovao ny taona, vaovao manaraka izany ihany koa ny loha-hevitra hodinihina sy hovelabelarina mandritra ity taona 2024 ity. Fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay anaty fiaraha-monina, izay no loha-hevitra lehibe hitondrana ny fandaharana EVA mandritra ny taona. Nampatsiahivina ny antom-pisian'ny fandaharana EVA sy ny tanjony ary fampahafantarana ireo mpandray anjara hifandimby hanentana ny fandaharana mandritra ny taona. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

Efa mahazo laka ary mampidi-bola ny tantsaha eto Madagasikara ny fizahan-tany eny ambanivohitra. Mampidi-bola ho an'ny tantsaha ny fizahan-tany ambanivohitra raha haintsika ny mitrandraka izany. Mampiditra 50 Dôlara hatramin'ny 200 Dôlara ho an'ny fianakaviana tantsaha iray iantranoany ny mpizahan-tany iray. 20 taona niantsehatra amin'izay fizahan-tany ambanivohitra izay ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FEKRITAMA...

Rehefa tsy afaka miasa malalaka, misy fibodoana sy herisetra, tsy fanomezana valiny ny hasasarana ary fitakiana vola mihoapapana amin'izay mba asa atao dia mihemotra ny olona ka tsy tena afaka mivoatra amin'ny ara-pivelomana satria lasa miraviravy tanana. Manana adidy goavana amin'izany ny mpitondra ary tsy maintsy mahatsapa fa mpiray tanindrazana ka mila mifanohana ny rehetra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Tsy tahaka ny firenen-kafa i Israely fa ny Tompo no Mpanjakany noho izany dia very hasina izy raha manaraka ny fomba amam-panaon'ny firenen-kafa satria mitsipaka ilay tena mpanjakany. Te hitovy amin'ny firenena hafa rehetra i Israely ka nangataka mpanjaka hafa, tsy nahay nihonona tamin'ny anjara nomen'Andriamanitra izy ireo ka tojo olana hatrany. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Tafiakatra 5.010 Ariary ny iray Euro omaly tolakandro tamin'ny fikatonan'ny tsenan'ny fifanakalozana vola vahiny. Manodidina ny 4.500Ariary kosa ny iray Dolara... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'ny ministra hisahana ny fanjifana ho avy eo ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI hitondra ny tetik'asa izy ireo mba hitsinjovana ny mpanjifa... ♦ Vahaolana entina mamaha ny fahantran'ny tontolo ambanivohitra ny fampiofanana ara-pambolena hoy ny tambazotra FARMADA... ♦ Namoizana ain'olona 78 farafahakeliny ny horohoron-tany nitranga tany Japon tamin'ny alatsinainy teo araka ny tarehimarika farany. Am-polony ireo tsy hita popoka hatramin'izao...

Ny safidy no fototry ny fiainana, raha tiana ho tsara ny fifandraisana eo amin'ny olon-droa, eo amin'ny sehatra roa samihafa dia tokony hajaina amin'ny safidiny ny olona tsirairay. Ny safidy dia miainga amin'ny finoana ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Ho fantatra tsy ho ela ny anaran'izay ho praiministra amin'izao fe-potoan-kiasana faharoan'ny filohan'ny repoblika izao. Tsy resy lahatra amin'izay governemanta hijoro eo Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno... ♦ Hanova paik'ady amin'ny fitarihana ny antoko ny filohan'ny Tiako i Madagasikara. Niantso ny mpanara-dia azy ho sahy hijoro hanangana firenena vanona sy matanjaka Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Miisa 5 ny olona maty nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro teto amintsika. Maherin'ny 16.000 ny tra-boina... ♦ 95 farafahakeliny no maty tany Iran, 200 mahery ny olona naratra. Izay no vokatry ny fipoahana nahary vaika in-droa niantona nandritra ny fanamarihana ny faha efa-taona nahafatesan'i Qassem Soleimani...

Mampivoatra ny fari-piainana sy ny sôsialy ary ny ara-toekarena ny asa. Ny asa dia mampatsara ny fivelomana saingy miteraka zavatra hafa satria voakasik'ota : herisetra, fialonana, tsy fahamarinana, fifankahalana, ady... Misy ireo sakana mametra ny olona tsy tena hivoatra amin'ny fivelomana : hakamoana, fialonana... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Nivoaka an-dranomasina ka tany amin'ny 324 km atsimo-atsinanan'i Farafangana no nisy ilay rivo-doza Alvaro, tamin'ny 10 maraina teo... ♦ An-dalana ho any Fianarantsoa ny fiarabe mitondra ny fitaovana sy kojakoja ilaina amin'ny fametrahana tetezana vonjy maika ao amain'ny PK 416 + 300 ao Mahazengy - Fianarantsoa, vokatry ny fahatapahan'ny lalana nateraky ny rivo-doza Alvaro... ♦ Nahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fiakaran'ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha hosoka sy fisolokiana tanin'olona teny Isahafa-Anosiavaratra... ♦ Nankalaza ny fetin'ny Noely tamim-pahanginana sy niafina ny ankohonam-piainana kristiana tany Birmanie...

Fanontaniana mipetraka ny hoe malagasy manao ahoana no afaka mifanampy hampandroso an'i Madagasikara. Fanabeazana sahala amin'ny ahoana no tsy maintsy hapetraka mba ho singa hampandrosoana ny firenentsika. Ny fanabeazana no tsy maintsy hatao laharam-pahamehana raha toa ka manana vina hampivoatra ny firenena iray. Ireo fitsipika hamari-pototra ny fanabeazana :  fifanajana, fametrahana sy fanarahana fitsipika, miezaka ho maodely tsara, fametrahana tontolo mahafinaritra hanamorana io fampitana fanabeazana... Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin'ny Ramatoa Aliette Abraham. 

♦ Tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan'ny mitovy fananahana na oviana na oviana atao amin'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara hoy ny Evekan'i Madagasikara omaly, manoloana ilay fanambarana "fitokisana am-pitalahoana" nataon'i Vatican ny 18 desambra 2023, ary nosoniavin'ny Pape François... ♦ Nivoaka ny ranomasina androany maraina ilay rivo-doza Alvaro... ♦ Maherin'ny 3.000 ireo tra-boina vokatry ny rivo-doza Alvaro... ♦ Tafakatra 62 ireo namoy ny ainy vokatr'ilay horohoron-tany mahery vaika tany amin'ny Peninsule de Noto Japon ny alatsinainy teo... ♦ Maty vokatry ny fanafihana nataon'i Israely ny filoha lefitry ny Hamas Saleh Al Arouri sy ny olona 6 hafa...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...