♦ Nampitsahatra ny fampielezan-keviny ireo kandidà roa mpifaninana amin'i Mamy Meryson Claver amin'ny distrikan'i Morondava, taorian'ny fahafatesany tampoka omaly maraina... ♦ Kandidà roa no nitsoaka an-daharana any amin'ny distrikan'i Manakara. Milaza ny tsy hanohy intsony ny fampielezan-keviny izy ireo, fa hanohana kandidà hafa... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka ny orinasa JIRAMA androany maraina fa tsy nametra-pialàna ny tale jeneraly vaovao, Rhon Weiss. Manohy ny asa nanendrena azy izy hoy ny fanambaràna... ♦ Mangataka ny hamoahana didy fisamborana ny Praiministra israeliana, Benjamin Netanyahou ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny fitsaràna iraisam-pirenena...

♦ Nodimandry tampoka omaly maraina ny kandidàn'ny vovonana Firaisan-kina any amin'ny Distrikan'i Morondava. Andrasana ny fanapahan-kevitra horaisin'ny CENI sy ny HCC noho izao voina izao... ♦ Hanao hetsika famotorana mitety vohitra ny mpanao famotorana eo anivon'ny fisaràna noho ny raharaha fakàna an-keriny any amin'ny distrikan'Anjozorobe. Mobla mitohy ny fanadihadiana hoy ny tonia mpampanoa lalàna... ♦ Somary nangingina raha mitaha ny amin'ny alatsinain'ny Paka ny fialan-tsasatry ny alatsinainin'ny Pantekôty omaly. Nahasarika mpitsangatsangana na izany aza ireo toeram-pialam-boly indrindra ny tao an-drenivohitra...

Mila fehezina ny faniriana hitady fahafinaretana amin'ny tena ; diso ny fiheverana fa ahafahana miala amin'ny filàna fahafinaretana avy amin'ny tena ny fisakaizana amin'ny olona iray, indrindra ny firaisana sy ny kilalao hahazoam-pahafinaretana hafa. Ny maha tanora sy ny maha olon-dehibe dia ny fahaizana mifandray amin'ny hafa, tsy mampiasa azy ho fitaovana fakàna fahafinaretana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Ny pantekôty dia isany fotoana lehibe ho an'ny Kristiana, ary mandrisika ny tsirairay handeha hikonfesy matetika, isaky ny herinandro, araka ny voalaza ao amin'ny Konsily " trente". Mba hananana fiadanana eo amin'Andriamanitra sy amin'ny samy olombelona dia ny konfesy no fototra. Ny fahafantarana ny didy folo no isany azo afahana mandini-tena, manampy ny tsirairay amin'ny firosoana amin'ny konfesy. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", fandarahana atao eto amin'ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

♦ Manaitra ny olom-pirenena hanapaka ny rafi-panjanahana an'i Madagasikara ny Antenimieran'ny ray aman-dreny ara-drazana. Kihon-dalana amin'izany ny fifidianana solombavambahoaka hoy ny fanambaran'izay ireo omaly... ♦ Niakatra fampanoavana teny amin'ny PAC 67ha omaly ny ben'ny tanànan'Antsiranana. Nitolo-batana teny amin'ny Brigady misahana ny heloka bevava teny Anosy mialohan'izay, noho ny raharaha hanenjehina azy... ♦ Ben'ny tanàna telo, sy mpitandro filaminana maromaro no nosamborina, voarohirohy noho ny raharaha fakàna an-keriny sy asan-dahalo any amin'ny distrikan'Anjozorobe... ♦ Namoaka didim-panjakàna mampiantso ireo vonona hanatevina ny tafika ny filoha okraniana, hiatriehana ady...

Misy fiantraikany amin'ny vatana sy ny fahasalamana ny tsy fahampian'ny torimaso : mety hanana olona amin'ny fitadidiana, kizintina, tsy ampy fifantohana... 24 ora ny faharetany andro iray : 8 ora hiasana, 8ora hatoriana, 8 ora hanaovana zavatra hafa. Ny faretan'ny torimaso ara-pahasalamana 7 - 8 ora ho an'ny olon-dehibe. Misy tsingerina maromaro ao anaty torimaso : ny rendremana ; ny torimaso lalina ary ny torimaso feno izay misy ny nofy tadidy rehefa mifoha. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Alahady fankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy Masina Maria : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana. Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Ny fidinan'ny Fanahy Masina dia tsy nijanona tamin'ny andro niainan'ireo Apôstôly sy Masina Maria fa mbola mitohy hatramin'izao, indrindra rehefa miantso ny Fanahy Masina isika amin'ny vavaka atao...

♦ Namoaka hafatra ny FFKM noho izao fetin'ny Pantekôty izao. Voaresaka ao ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana amin'ny 29 mey... ♦ Manaitra ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, handray ny andraikiny ny KMF/Cnoe amin'ireo fandikan-dalàna amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Be loatra ny olona matin'ny fiakaran'ny tosi-drà aty amin'ny tany andalam-pandrosoana. Miantso ny rehetra tsy hanao hatsirambina ny fitsaboana ho an'ireo manana tosi-drà ambony ny Fikambanana MAEVA... ♦ Efa tsy voafehin'ny fanjakàna intsony ny korontana amina kartie maromaro any Nouméa renivohitr'i Nouvelle Caledonie, noho ny toe-draharaha politika. Olona 5 ireo efa namoy ny ainy hatramin'ny omaly...

Tsy misy fakam-panahy miseho amin'ny endrika ratsy izany fa tsara sy manintona mandrakariva. Mila mandinika tsara ny tanora hiroso amin'ny fanambadiana, mety vokatry ny fakam-panahy mantsy izany fa tsy tena fitiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Alohan'ny fahafito taonany  ny zaza dia efa mahazo sary ny vatany : ny tsy fitoviana eo amin'ny vavy sy ny lahy. Rehefa feno 7 taona ny zaza dia efa manomboka mitombon-tsaina ka afaka mampitombo miandalana ny fitiavany te hahalala zavatra maro : fotoana hidiran'ny an-tsekoly. Rehefa miditra amin'ny fahamaotina ny tanora dia te handray anjara feno amin'ny fiainany ary tia mifanakalo hevitra. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Tsy ny toe-batana ihany no misy fiovàna lehibe eo amin'ireo tanora fa amin'ny fitiavana indrindra no hisehoany eo amin'ny filan'ny nofo. Eo amin'ny faha-14 taonany ny zazalahy no mahatsapa ny filàna fahafinaretana, indrindra manodidina ny taovam-pananahany, ; ny zazavavy kosa dia mandre izany amin'ny vatany manontolo ary mora miontana mihitsy amin'ny alalan'ny fifampikasohana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

♦ Manaitra ny CENI sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana ny KMF/Cnoe, handray andraikitra amin'ireo fandikan-dalàna misy amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Fifidianana tsara omana, handraisan'ny rehetra anjara no antoky ny filaminana, hoy ny Filohan'ny CENI, tamin'ny fanokafana ny atrikasa fampiofanana ireo mpampiofana delegen'ny kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, teny Alarobia androany... ♦ Miteraka fahafatesana olona maro aty amin'ny tany andalam-pandrosoana ny fiakaran'ny tosi-dra ambony, raha ny tatitry ny OMS...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...