♦ Nanatrika ny fanokafana ny fihaonambe eran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Saleziana tao Rome omaly ny Kardinaly Angel Fernandez Artime. Fihaonambe hatramin'ny alarobia izao miompana amin'ny loha-hevitra hoe " Mamolavola ho an'ny ho avy mamiratra"... ♦ Hiara-hiasa hiantoka ny fampiasam-bola sy ny fintantanana ny loza mety hitranga ny EDBM sy ny trano fiantohana ARO. Nosoniavina omaly teny Antaninarenina ny fifanarahana momba izany... ♦ Hanao fihaonambe eto Antananarivo ny sabotsy 31 aogositra izao ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy na ny K.I.M.M. Marary ny tontolon'ny asa eto Madagasikara hoy izy ireo nandritra ny fihaonana teny Faravohitra...
Ny fifandraisana hita ao amin'ny vavaka na ny Salamo dia fifandraisana manokana, ilay atao amin'ny teny vahiny frantsay hoe "relation interpersonnel. Ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra dia akaiky, toy ny fifandraisan'ny mpifankatia, findraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka ; eo anatrehan'Andriamanitra isika dia malala. Tsapan'ny olona tsara io fifandraisana io ao amin'ny Salamo, Andriamanitra tsy mba mandao. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Nanatrika ny fanokafana ny fihaonambe eran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Salezianina tao Roma androany, ny Kardinaly Ángel Fernández Artime. Fihaonambe miompana amin'ny lohahevitra: “Mamolavola ho an'ny hoavy mamiratra"... ♦ Hiara-miasa amin'ny fiantohana ny fampiasam-bola sy ny fitantanana ny loza mety hitranga ny EDBM sy ny trano fiantohana ARO... ♦ Hanao fihaonambe eto Antananarivo, ny sabotsy 31 aogositra 2024, ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy, na ny KIM. Marary ny tontolon'ny asa eto Madagasikara, hoy izy ireo androany...
♦ Notanterahana nanomboka ny 31 jolay ary nifarana androany 2 aogositra 2024, ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy. Foto-kevitra niainana tamin'izany ny hoe: “Eglizy iraka”... ♦ Samy hanatontosa ny JMJ, ireo Vikaria efatra mandrafitra ny Diôsezin'i Mahajanga, mandritra ity volana aogositra ity... ♦ Notanterahana tany Roma nanomboka ny 29 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2024, ny andiany faha-13 amin'ny fivahinianana masina ataon'ny fikambanana iraisam-pirenen'ny mpiservy...
♦ Manomboka androany any Roma ny fihaonambe maneran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, ho an'ny Saleziana. Manana solontena any an-toerana ny avy aty Madagasikara... ♦ Malaina ny hiatrika fifidianana ny fitondrana ankehitriny raha ny zava-misy amin'izao, hoy ny antoko MFM. Nambaran'izy ireo fa efa nampoizina ny fihemoran'ny fifidianana Ben'ny Tanana, izay mety ho amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fandratrana mpianatra teny Vontovorona omaly, ny Seces Sampana Antananarivo...
♦ Tokony hotanterahana amin'ity taona ity ny fifidianana, hoy ny Kmf/Cnoe. Nambaran'io firaisamonim-pirenena io fa efa zara raha mandeha ny fampandehanan-draharaha eny anivon'ny Kaominina... ♦ Nahazo vola maherin'ny 16 tapitrisa Ariary, ny lehilahy iray nilaza fa mahatafiditra mpiasam-panjakana teo anivon'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Olona 12 no voasolokiny... ♦ Mpianatra iray no naratra mafy omaly nandritra ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana teny amin'ny Oniversite Polytechnique Vontovorona. Voalazan'ireo mpianatra tifitra nataon'ny mpitandro ny filaminana no nahatonga ny ratra...
Misedra olana ny lalam-pihariana kabaro izay isan'ny ifotoran'ny tantsaha mivondrona ao amin'ny FITAME na ny Firaisantsoan'ny Tantsaha Menabe. Federasiôna misehatra amin'ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra any amin'ny Faritra Menabe iny moa ny FITAME.
Tsikaritra ankehitriny fa miaina anaty korontana, tsy fandriam-pahalemana,fifampiantsiana ary indrindra ny herisetra amin’ny endriny maro ny ankamaroan’ny Malagasy, misy aza no mahavita mandatsa-drà mihitsy. Manoloana ireo tranga ireo, dia tsapa fa fotoana ampahatsiahivana ny atao hoe : Fihavanana Malagasy izao, ary iverenana amin’ny tena fototr’izany soatoavina manana ny maha-izy azy izany. Ny Fihavanana, araka ny famariatana anakapobehany, dia mifototra amin’ny aina. Koa ho an’ny Malagasy, ny aina no mampihavana ny tsirairay, izany hoe : iray aina avokoa ny olombelona. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny vavaka dia resaka amin'Andriamanitra, fanondrotana ny fanahy mankany amin'Andriamanitra ; ny Salamo dia pôezia sy tononkalo natao ho hiraina, izay mila aingam-panahy. Misy karazana endrika maro ao amin'ny Salamo : misy ny Salamon'ny mpanjaka, misy ny fidirana ao an-tempoly, misy fanao amin'ny fivahinianana masina, misy hiran'ny Siôna, misy fampitana hafatra sy lesona. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Efa zara raha mandeha ny fampandehan-draharaha amina Kaominina maro, ka tokony hotanterahana amin'ity taona ity ny fifidianana, hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Ny 43%-n'ireo mpila raharaha no efa niharan'ny kolikoly amin'ny fikarakarana antontan-taratasy momba ny fananan-tany, raha ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International. Navoaka androany teny Andrainarivo ny momba izany... ♦ Olona 12 no voasolokin'ny lehilahy iray, milaza fa mampiditra mpiasa ao amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Vola 16 tapitrisa mahery no azony tamin'ireo olona ireo. Natolotra ny Fampanoavana androany, io lehilahy io...
♦ Azo tanterahana amin'ny 11 desambra 2024 ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina hoy ny filan-kevi-panjakàna. Tsy tokony hihoatra ny 31 desambra kosa ny fanatanterahana izany araka ny didy navoakany... ♦ Maro ny asa hotanterahana amin'ny fampiharana ilay fehezan-dalàna vaovao momba ny harena ankibon'ny tany. Isan'izany ny fijerena ireo orinasa mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany... ♦ Hanampy ireo mponina ao amin'ny ilany atsimon'ny Faritra atsimo-andrefana i TIRIKE. Fampisehoana roa no hotanterahany eto an-drenivohitra amin'ity herinandro ity hanangonana vola hanaovana foto-drafitr'asa ho azy ireo...
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 24, 15-24)
Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao,
amin’ny indray mitselatra monja, ilay fifalian’ny masonao;
nefa aza midradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.
Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty.
Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao,
aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.”
Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho,
ka ny harivan’izany ihany dia maty ny vadiko;
ary ny ampitso maraina indray dia notanterahiko izay nandidiana ahy.
Ka hoy ny olona tamiko:
“Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin’izao ataonao izao?”
Dia izao no nolazaiko tamin’ireo:
“Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina,
ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo
ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo,
izay nilaozanareo.
Amin’izany ianareo, hanao toa izao nataoko izao:
tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.
Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo,
tsy hidradradradra na hitomany,
fa hihalevona ao anatin’ny helokareo ianareo,
ka hitoloko eo am-pifanilanareo.
I Ezekiela no famantarana ho anareo;
izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany;
dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Det. 32, 18-19. 20. 21
Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao
ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.
Nahita izany ny Tompo ka tezitra,
nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.
Hoy Izy: hafeniko azy ny tavako,
dia ho hitako izay hiafarany.
Fa taranaka mpivadibadika izy,
zaza tsy manana hitsim-po.
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy
ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona,
ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho,
sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)
Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
Dia hoy Izy namaly azy:
“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.”
Dia hoy izy hoe:
“Didy inona avy?”
Dia hoy i Jesoa:
“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”
Dia hoy ilay tovolahy taminy:
“Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”
Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco