Misedra olana ny lalam-pihariana kabaro izay isan'ny ifotoran'ny tantsaha mivondrona ao amin'ny FITAME na ny Firaisantsoan'ny Tantsaha Menabe. Federasiôna misehatra amin'ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra any amin'ny Faritra Menabe iny moa ny FITAME.

Miisa 750 ny mpikambana ao amin'ny FITAME miparitaka any amin'ny fikambanana 60. Manana teny filamatra : Miofana, Mampihatra, Mizara. Ireo olona liana amin'ny fiofanana sy fandrosoana ara-pamokarana no mivondrona ao aminy. Mampihatra izany ary mizara izany koa avy eo.

Marolafy ny lalam-pihariana iantsorohan'ny FITAME, fa isan'ny tena mampiavaka azy ireo ny fiompiana tantely sy ny famokarana kabaro. Misehatra amin'ny fambolena legioma sy ny voamaina ary ny fambolena vary koa ny mpikambana ao aminy. Ny lalam-pihariana kabaro izay misedra olana tato ho ato noho ny fiovan'ny toetr'andro hoy Andriamatoa Rakotoarisoa Robel, mpandrindra FITAME.

Nahafahan'ny tantsaha mpikambana ao aminy nanatsara ny famokarany sy ny fidiram-bolany ny nananganana ny Firaisantsoan'ny Tantsaha Menabe. Hankalaza ny faha-20 taona nijoroany amin'ny taona ho avy ity fikambanam-paritry ny tantsaha any Menabe ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...