Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 24, 15-24)

I Ezekiela no famantarana ho anareo.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao,
amin’ny indray mitselatra monja, ilay fifalian’ny masonao;
nefa aza midradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.
Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty.
Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao,
aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.”

Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho,
ka ny harivan’izany ihany dia maty ny vadiko;
ary ny ampitso maraina indray dia notanterahiko izay nandidiana ahy.
Ka hoy ny olona tamiko:

“Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin’izao ataonao izao?”

Dia izao no nolazaiko tamin’ireo:

“Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina,
ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo
ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo,
izay nilaozanareo.
Amin’izany ianareo, hanao toa izao nataoko izao:
tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.
Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo,
tsy hidradradradra na hitomany,
fa hihalevona ao anatin’ny helokareo ianareo,
ka hitoloko eo am-pifanilanareo.
I Ezekiela no famantarana ho anareo;
izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany;
dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Det. 32, 18-19. 20. 21

Ilay Andriamanitra nahitanao masoandro, hadinonao.

Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao
ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.
Nahita izany ny Tompo ka tezitra,
nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.

Hoy Izy: hafeniko azy ny tavako,
dia ho hitako izay hiafarany.
Fa taranaka mpivadibadika izy,
zaza tsy manana hitsim-po.

Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy
ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona,
ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho,
sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)

Raha tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao.

Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Dia hoy Izy namaly azy:

“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.”

Dia hoy izy hoe:

“Didy inona avy?”

Dia hoy i Jesoa:

“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy ilay tovolahy taminy:

“Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”

Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...