20 septambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 3, 14-16)
Ry malala, manoratra izany aminao aho,
na dia manantena hankatý aminao faingana aza,
satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho,
dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao
ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra,
dia ny Eglizin’Andriamanitra velona,
izay andry sy fiorenan’ny marina.
Ary tsy azo lavina,
fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana,
dia ilay naseho teo amin’ny nofo,
nohamarinina tao amin’ny Fanahy,
niseho tamin’ny anjely,
notorìna tamin’ny Jentily,
ninoana tamin’izao tontolo izao,
ary nakarina tamim-boninahitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6
Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-Piangonam-be!
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana no vitan’ny Tompo
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.
Naneho asa mahery tamin’ny vahoakany Izy,
fa nanome azy ny lovan’ireo firenena.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý,
ary tahaka an’iza izy?
Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe:‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay,
lazainareo hoe:‘Azon’ny demony izy.’
Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro,
ataonareo hoe:‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io,
sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hihazo ny Diôsezin'Antsirabe anio zoma Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. voatendry ho Evekan'Antsirabe izy ary tontosa ny 5 septambra teo ny Sorona Masina fitsofan-drano azy... ♦ Tsy anjaran'ny HCC ny manadihady ny fahamarinan'ny zom-pirenena malagasy ananan'ny filoha teo aloha Andry Rajoelina. Ny fahafenoan'ireo antontantaratasy voaray no nankatoavana ny firotsan-ko fidiany, hoy ny filohan'ny HCC, Florent Rakotoarisoa... ♦ Nisedra olana ireo mpanao gazety sasantsasany omaly nandritra ny fandrakofana vaovao teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo. Efa voasoratra mialoha mantsy ireo mpanao gazety afaka niditra teny an-toerana...
♦ Napetraka tamin'ny fomban'ny Fiangonana omaly ho Eveka vaovaon'ny Diôsezin'Antsirabe, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. Misy ny akon'izany avy any Antsahasoa-Antsirabe... ♦ Notànana vonjimaika ary hiakatra fampanoavana anio eny amin'ny Fitsaràna i Foutsy Tsotsy, anisan'ireo "lanceur d'alerte" eo anivon'ny Tambajotran-tserasera. Efa nampanantsoina noho ny resaka fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook izy ny zoma teo... ♦ Mpiofana kabary miisa 56, eo anivon'ny fikambanan'ny mpikabary katôlika indray no navoaka tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo. Andiany faha-18 ao amin'ny MPIKALO izy ireo, nampisalorana ny anarana andiany Masindahy Paoly...
Ny Fikambanana Masoandro Mody no mandray an-tanana ireo olona mararin'ny "alzheimer", ny volana septambra no nofaritan'ny firenena mikamba hanentanana sy hampahafantarana ny olona mikasika ity aretina ity. Iharan'ny herisetra ny olona tratry ny aretina Alzheimer satria sady iharan'ny herisetra ara-tsaina no mety ho lasibatry ny herisetra ara-batana ihany koa. Tsy ny olona antitra rehetra no tratran'io aretina io, fa izay olona voakasiky ny fahasimban'ny "hippocampe" ihany ; ny "alzheimer " dia miteraka fahaverezan'ny fitadidiana. Mety hampiakatra ny tranga ny : diabeta sy ny tosi-dra, raritsaina...
Ny aretina "alzheimer" dia aretina manafika ny atidoha, izay misy faritra mikoloko ny fitadidianana. Ny volana septambra no nofaritan'ny firenena mikamba hanentanana sy hampahafantarana ny olona mikasika ity aretina ity. Tsy ny olona antitra rehetra no tratran'io aretina io, fa izay olona voakasiky ny fahasimban'ny "hippocampe" ihany ; ny "alzheimer " dia miteraka fahaverezan'ny fitadidiana. Raha misy tranga hafahava dia tsara raha manantona mpitsabo. Mety hampiakatra ny tranga ny : diabeta sy ny tosi-dra, raritsaina...
♦ Mizotra araka ny tokony hoy izy ny fanohizana ireo foto-drafitr'asa efa natomboky ny Fanjakàna, isan'ny fanamboarana ny fitanterana mikorisa amin'ny tariby hoy ny Sekreteram-panjakàna misahana ny tanàna vaovao. Mitohy ny asa mandra-pahatongan'ny governemanta vaovao... ♦ Mitsipaka ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny endriny samihafa ny komitin'ny Fanavotam-pirenena. Tokony esorina any amin'ny biraom-panjakàna samihafa ny sarin'ny filoham-pirenena teo aloha hoy izy ireo nandritra ny fanambarana nataony teny Andraharo... ♦ Nahazo fampitandremana amin'ny fitokonana ataony ny mpitarika ny SECES Sampana Antananarivo. Tsy misy ambadika pôlitika nefa ny fitakiana atao hoy Dokotera Sammy Gregoire...
♦ Naneho ny heviny manoloana ny tsikera momba ny toe-draharaham-pirenena amin'izao fotoana izao ny Praiministra Ntsay Christian. Avelao ny Malagasy hisafidy malalaka ny filoha hitondra azy hoy izy tety Ivato... ♦ Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanampiana ny tantsaha ny Fanjakàna hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana nandritra ny fanokafana ny Foara an'Analamanga tanterahana eny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina... ♦ Nankalaza ny andro afrikana ho an'ny fitsaboana nentim-paharazana i Madagasikara omaly. Nivoitra nandritra izany fa mbola mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana ny 80% amin'ny afrikana...
♦ Tsy ekena ny hisian'ny tetezamita, ary tsy misy ambonin'ny lalàna, fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Avelao ny Malagasy haneho ny safidy malalaka, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Tontosa teny amin'ny Sekoly Ambony manofana ho Pôlisim-pirenena androany, ny famoahana ny andiany Vina, tamin'ireo mpianatra ho pôlisy isaky ny sokajiny... ♦ Ampirisihana ny tanora Mlagasy hirona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny asa tanana; isan'ny tanjona hanatanterahana ny Foaran'Analamanga izany...
19 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timote (1 Tim. 3, 1-13)
Tena marina izao teny izao:
raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra,
dia maniry raharaha tsara indrindra izy.
Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny,
tsy nanam-bady, afa-tsy indray mandeha monja,
mahonon-tena,
hendry,
maotona sy mendrimendrika,
mampiantrano vahiny,
mahay mampianatra,
tsy lian-divay,
tsy mikapoka, fa mandefitra,
tsy mpila ady,
tsy tia vola,
mahay mitondra ny ankohonany,
sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary;
fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany,
hataony ahoana ny fitondra ny Eglizin’Andriamanitra?
Tsy zazavao amin’ny fivavahana,
fandrao dia mieboebo foana
ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.
Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa,
fandrao dia afa-baràka sy voan’ny fandriky ny demony.
Toy izany koa ny Diakra,
dia aoka ho olona maotona,
tsy miroa teny,
tsy lian-divay,
tsy tia harena foana,
mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio;
ary aoka hozahan-toetra izy aloha,
vao manao ny raharahany, rahefa hita fa tsy manan-tsiny.
Toy izany koa ny vadiny,
dia aoka ho olona manaja tena,
tsy mpifosa,
mahonon-tena,
mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
Aoka ny Diakra ho olona tsy nanam-bady afa-tsy indray mandeha,
sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany.
Fa izay nahatontosa tsara ny raharahany,
dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany,
sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana
izay ao amin’i Kristy Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 100, 1-2ab. 2de-3. 5. 6
Ny hatsaram-po sy ny rariny no fikàloko;
Ianao, ry Tompo, no fiàntsako!
Izaho mitandrina ny lala-madio,
ny fahamarinana no monina ato amiko!
Izaho miaina amim-po madio ao an-tranoko,
tsy mba mamorona fikasan-dratsy!
Ny mpihatsaravelatsihy dia halako,
tsy ekeko hiraikitra amiko!
Ny mpanebaka namana an-takona,
fongorako,
ny maso mianjona, ny fo miavona
levoniko mihitsy.
Ny masoko dia amin’ny mpino amin’ny tany
mba honenany eo anilako.
Ny mizotra amin’ny lala-madio
no mpanompoko.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima,
ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.
Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy,
dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina,
zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny,
ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy,
ka nanao taminy hoe:
“Aza mitomany.”
Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona;
dia nijanona ny mpilanja,
ary hoy i Jesoa:
“Ry zatovo,
Izaho mandidy anao, mitsangàna.”
Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,
ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo,
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:
“Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika,
ary Andriamanitra efa namangy ny olony.”
Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra
izany teny fankalazana izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
18 septambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco