19 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima,
ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.
Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy,
dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina,
zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny,
ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy,
ka nanao taminy hoe:

“Aza mitomany.”

Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona;
dia nijanona ny mpilanja,
ary hoy i Jesoa:

“Ry zatovo,
Izaho mandidy anao, mitsangàna.”

Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,
ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo,
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika,
ary Andriamanitra efa namangy ny olony.”

Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra
izany teny fankalazana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...