Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Ml. 1, 14b — 2, 2b. 8-10)

Ianareo kosa nivily lalana ary nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna.

Mpanjaka lehibe Aho,
hoy ny Tompon’ny tafika;
ary mahatahotra ny Anarako,
any amin’ny firenena.
Koa ankehitriny, ry mpisorona,
didy mihatra aminareo izao:
Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo
ny hanome voninahitra ny Anarako,
hoy ny Tompon’ny tafika,
dia handefa ozona hamely anareo Aho.
Fa ianareo kosa nivily lalana,
nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna,
ary namadika ny fanekena tamin’i Levi,
hoy ny Tompon’ny tafika.
Koa Izaho kosa,
dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona
eo imason’ny vahoaka rehetra,
satria tsy nitandrina ny lalako ianareo,
sady mizaha tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna.
Tsy iray ray va isika rehetra?
Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika?
Ka nahoana àry ity isika,
no samy mivadika amin’ny iray ra amintsika avy,
ka mandoto ny fanekena amin’ny razantsika?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 130, 1. 23

Tompo ô, tahirizo ao amin’ny fiadananao ny fanahiko.

Tompo ô, tsy mba miavona ny foko,
tsy miandranàndrana ny masoko:
izaho tsy manenjika zava-baventy
na zavatra ambony tsy sahaza ahy.

Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka,
toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny;
eny, toy ny zaza voky
ny fanahiko ato amiko.

Aoka i Israely hatoky ny Tompo
hatrizao ka ho mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 7b-9. 13)

Tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa.

Ry kristianina havana,
naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.
He tsaroanareo, ry kristianina havana,
ny fikelezana aina amam-pisasaranay,
fa sady niasa andro aman’alina izahay
no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo,
mba tsy hahavaky tratra olona
na dia iray taminareo aza.
Noho izany,
dia tsy tapaka misaotra an’Andriamanitra koa izahay,
satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay,
dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany,
fa noraisinareo, araka ny marina tokoa,
ho tenin’Andriananitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny Tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Milaza fotsiny izy fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe:

“Efa mipetraka eo amin’ny toeran’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina,
dia atainginy eo antsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety hanetsika izany
na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra,
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa
noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fitoerana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja
ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety hantsoina hoe Raby,
fa iray ihany no Mpampianatra anareo,
ary mpiray tam-po avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo,
dia Izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe Mpampianatra;
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry
ary izay hanetry tena dia hasandratra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hofaranana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny tolon'ny vondron'ny kandidà 10, hitakiana fifidianana madio sy ny fanajàna ny tany tan-dalàna. Niverimberina izany ny sabotsy teo tamin'ireo kabary samihaf nandritra ny hetsika fotsy teny amin'ny Coliseum Antsonjombe... ♦ Ny firosoana amin'ny  fifidianana ihany no vahaolana ho an'ny firenena hoy ny Ministry ny Fiarovam-Pirenena. Miantso ny rehetra izy handeha hifidy izay olona tiany hitondra azy ao anatin'ny 5 taona manaraka... ♦ Nosokoafa tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo ny taom-pianarana 2023-2024 ho an'ny sekoly katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Manaitra an'i Israel mba hitandrina amin'ny fanafaihana ataony i Etazonia, tsy hamono ireo sivily palestiniana...

Misy fahasimbana lalan-dra ao amin'ny faritra iray na maromaro ao anatin'ny atidoha noho ny fahatsentsenana na fahatapahan'ny lalan-dra. Misy karazany roa io fahatapahan'ny lalan-dra io : fahatsentsenana mandalo sy ny tapaka tanteraka... Antony mahatsentsina ny lalan-dra dia ireo olona be loatra ny menaka ratsy (cholestérol) ao anatin'ny ra. Ny mahatapaka tanteraka ny lalan-dra dia ny fiakaran'ny tosi-dra tampoka sy mafy. Matetika ireo tranga ireo no miseho amin'ny alina na ao anatin'ny torimaso. Antony hafa : menaka ratsy anaty ra, betsaka ny tahan'ny siramamy anaty ra, ny hatavezana be loatra, ny tsy fanetsehambatana...

♦ Ambohim-pihaonan'ireo mpanara-dia ny hetsiky ny vondron'ny kandidà 10 ny eny amin'ny Coliséum Antsonjombe anio tolak'andro. Andrasana ny kabarin'ireo kandidà manoloana ny fivoaran'ny raharaham-pirenena, indrindra ny omaly... ♦ Nanazava ny solombavambahoaka Rasidimanana fa ny hanànana porofo amin'ny halatra mety hiseho amin'ny fifidianana no anisan'ny antony nanaovan'ny kandidà Siteny Fampielezan-kevitra. Mbola miara-dia amin'ny hetsiky ny vondron'ny kandidà 11 ny avy amin'ny Mihava tour hoy izy... ♦ Sokatra 149 isa, indray, no tra-tehaky ny Zandarimariam-pirenena tany atsimon'ny nosy, saika ahondrana an-tsokosoko. Olona roa no voasambotra, izay nilaza fa efa nanao kitoza ny sasany tamin'ireo biby harovana ireo...

Ny Eglizy dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Napoléon Bonaparte no nanorina sy namorina "code civil" ny taona 1804, ary saika izy avokoa no fototry ny lalàna sy ny rafitra misy ankehitriny. Isany soa napetrany tamin'izany ny famoronana ny sekoly, sy ny rafitra fitantanam-bolam-panjakana, ny fametrahana ny antenimieran-doholona sy ny rafitra fiarovana ny olona sy ny fananany.

♦Notendren'ny HCC ho filoham-panjakàna vonjimaika indray ny Filohan'ny Antenimieran-doholona vaovao Richard Ravalomanana. Nolaviny kosa ny fitorian'ireo solombavambahoaka miisa 38 sy ny filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha... ♦ Hamory ireo mpomba azy eny amin'ny Coliseum Antsonjombe indray anio ny vondron'ny kandidà 10 mirahalahy, ho fanohizana ny fitakian'izy ireo. Nisy ny fifandisoan-kevitra momba ny fampiasàna ny eny an-toerana... ♦ Asa an'aliny maro no atahorana ho very eto amintsika, raha tsy hitohy intsony ny fandaharan'asa AGOA amin'ny taona 2024. Ahiana ny tsy hitohizan'izany, noho ny krizy pôlitika misy eto amintsika, hoy ny sendikà Fisemare...

♦ Notendren'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ho Filoham-panjakana vonjimaika, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, ny Jeneraly Richard Ravalomanana... ♦ Kendrena ho vita amin'ny volana febroary amin'ny taona ho avy ny dingana voalohany amin'ny fitaterana an-tariby amin'ny zotra Anosy hatreny amin'ny Gara Soarano... ♦ Ampy hiatrehana ny maisto ahitra ny tahirin'ireo sakafo ilaina amin'ny fiainana andavanandro eto amintsika...

♦ Nanainga ireo pretra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Arseveka, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hikolo ny asa pastôraly sy hanatanteraka izany an-kafaliana... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, ny Sampan-draharaha momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon'ny Fiketrahana Masina, noho ny fahalasanan'i Mgr Antoine Slavatore Scopelliti... ♦ Nanatanteraka famangiana any amin'ny Arsidiôsezy Atsimo Atsinanana, ny mpandrindra fikambanana vondron'ny Tokantrano Kristianina nasiônaly...

4 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)

3 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — ao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1-6)

2 nôvambra 2023 — Fahatsiroavana ny mpino nody mandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

1 nôvambra 2023 — Ny Olomasina rehetra — Fankalazana manetriketrika — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...