♦ Tokony ho 800.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara ary mitaky ny hampitoviana ny marikarama eo amin'ny mpiasam-panjakàna ny sendika SFDM... ♦ Mitaraina amin'ny fahatam-pahan'ny rano lavareny ny mponina eny amin'ny fokontany Manjakaray ao Antananarivo renivohitra. Efa ho telo volana izao no tapaka ny rano eny an-toerana... ♦ Manantena ny hahazo ny faritra vaovao faha 25 eto Madagasikara ny mponina any amin'ny Plateaux Mahafaly... ♦ Nitory ny fitondrana Israeliana any amin'ny fitsarana iraisam-pirenena i Afrika atsimo noho ny ambaran'izy ireo hoe  : famonoana olona faobe no ataon'ny tafika Israeliana any Gaza...

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...