♦ Mitsipaka marin-drano ny resabe miely fa hoe : misy fanodikodinam-bola an-jatony tapitrisa Ariary tao amin'ny Kaominina Ambohidratrimo ny ben'ny tanàna omaly... ♦ Notokanana sy notsofin-drano omaly ny trano natokana hanamboarana ny arimbao, an'ny fikambanana  "Vehvavy Mahery" eny Andohatapenaka... ♦ Hetsika ara-tsôsialy : ny akon'ireo hetsika samihafa tafiditra amin'ny fankalazana ny fetin'ny faran'ny taona... ♦ Olona 30 no maty ary 160 naratra voakatry ny daroka missiles miisa 160 nalefan'ny tafika Rosiana tao Kiev renivohitra Okrainiana omaly... ; Tafakatra 100.000 isa ireo Palestiniana mifindra monina any Rafah faritra atsimon'i Gaza, vokatry ny fanafihana mahary vaika nataon'ny tafika Israeliana...

♦ Tsy marina ny filazana fa misy fanodikodinam-bola an-tapitrisany maro tao amin'ny Kaominina Ambohidratrimo, raha ny nambaran'ny ben'ny tanàna androany. Olana ara-taratasy no misy, hoy ny ben'ny tanàna... ♦ Notokanana sy notsofindrano andraony ny trano natokana hanamboarana ny arimbao an'ny fikambanana Vehivavy mahery eny Andohatapenaka... ♦ Tombanana hikisaka miadana hanakaiky ny morontsiraka afovoany andrefan'ny Nosy ny rahom-baratra entin'ny faritr'andro ratsy atsy amin'ny lakandranon'i Môzambika... ♦ Nisy OVNI hita androany vao mangiran-dratsy tany amin'ny faritr'habakabak'i Pologne tany amin'ny sisin-tany mampisaraka an'i Pologne sy Ukraine...

♦ Nitondra teny firariantsoa hoan’ny Noely sy ny taona vaovao 2024, i Mompera Innocent Bizimana, lehiben’ny fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara sy Nosy Maorisy... ♦ Ny saina voatr’olombelona (Intelligence artificielle) sy ny fiadanana, io no votoatin’ny hafatry ny Papa François amin’ny fankalazana ny andro faha-57 maneran-tany hoan’ny fiadanana... ♦ Tokony hiambina sy hiaro ny fo amam-panahy tsy hirona makany amin’ny faharatsiana isika, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience Générale, ny alarobia lasa teo... ♦ Mbola maro ny fandripahana  ireo tsy manan-tsiny misy eto amin’izao tontolo izao, hoy ny Papa François...

Ny olombelona rehetra no mpihavana satria tonga mpiray tampoho noho ny zanak'Andriamanitra. Tsy maintsy miala amin'ny toe-tsaina samy maka ho azy ary mandray ny olona rehetra ho rahalahy ka tsy hanavakavaka na hanilika na iza naiza raha tena mivelona ny misterin'ny fahatongavana ho Nofo ny olona tsirairay. Miantso antsika hiverina amin'ny tany sy hikarakara azy hamokatra ny misterin'ny fahatongavana ho Nofo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Tombony lehibe ho an'ireo maniry ho kandidà amin'ny taona ho avy io ny firotsahana amin'ny anaran'ny tsy miankina, fa tsy miaraka amin'ny antoko pôlitika hoy ny olom-pirenena tompon'andraikitra Herimanjaka Tsilavo... ♦ Jery todika samihafa sy ny olana sedrain'ireo kaominina amin'izao taona madiva hivalona izao... ♦ Efa milamina sy voafehy ny fandriam-pahalemana ankehitriny any amin'ny distrika Ankazobe. Efa navotsotr'ireo olon-dratsy ireo olona roa nalainy an-keriny... ♦ Mitombo miandalana ireo fanjakana amerikana manilika an'ingahy Donald Trump tsy ho isan'ireo kandidà filoham-pirenena amin'ny taona 2024. Nanaradia an'i Colorado koa ny ao Maine...

♦ Niharan'ny fisamborana ary nentina eo an-drenivohitra ny mpanao gazety Rakotomalala Rossignol. Voarohirohy ho tompon'antoka tamin'ny fiparitahan'ny teny mamoafady tao amin'ny "facebook"-ny solombavambahoaka voafidy tao Manakara izy... ♦ Hanatanteraka fivoriambe hanomanana ny fihaonana an-tampon'ny olom-pirenena anio ny "cellule de crise Diovy Madagasikara"... ♦ Velontaraina amin'ny fahatarana eo amin'ny fandraisan-karaman'ny Kaominina Anatananarivo renivohitra ny sendikà mahaleo tena eo anivon'ity kaominina ity...  ♦ Naneho firaisan-kina hatrany ireo mpino kristiana vitsy an'isa ao amin'ny Nosy Kaomoro, na dia andro niasàna aza ny andron'ny Noely ao amin'ity Nosy ity, rehefa tsy mitontona andro alahady...

♦ Hanao laha-teny ho an'ny vahoaka malagasy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin'ny faran'ny taona. Laha-teny heverina fa hilazàny ireo fandaharan'asan'ny fitondrana ho an'ny taona 2024 ho avy io, ankoatra ny firariantsoa, noho ny taom-baovao... ♦ Hitety faritra ny "cellule de crise Diovy Madagasikara" haka ny hevitra eny ifotony, ho fiomanana amin'ny fihaonana antampon'ny olom-pirenena hokarakarain'izy ireo. Fihaonana antampony izy io, hanarenana ny ara-toe-karena sy sôsialin'ny firenena... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo olona fito voarohirohy tamin'ilay fanadiovana vary efa simba 50 kaontenera tany Mahajanga. Nahitàna vary anaty gony an'arivony ny fiara telon'ilay orinasa rehefa natao ny fisavàna...

Mifarana ny taona, tanterahina araka izany ihany koa ny tomban'ezaka ho an'ny zava-bitaa tao anatin'ny fandaharana EVA nandritra ny taona 2023. Notsiahivina ireo loha-hevitra noresahina ary noentina teo ihany koa ireo teboka tsara tohizana entina hanatsarana hatrany ny fandaharana. Niarahana tamin'ny vaomieran'ny Eveka momba ny Fianakaviana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

Ny olona velona dia tsy maintsy miasa, maro ny fampianaran'ny fiangonana mikasika ny maha zava-dehibe ny asa. Ny mpiandry ondry olona voalohany nahita ny zanak'Andriamanitra teraka dia olona nanana ny asany amin'ny maha mpiandry ondry azy ; toraka izany koa ireo majy olona mpandinika ny kintana sady nanana fanatitra saro-bidy izany hoe tsy olon'olom-poana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Nifarana androany ny fandaharana Hirika tamin'ity taona 2023 ity. Fandaharana nanaovana jery todika ny vaovao nisongadina momba ny tontolo ambanivohitra. Ny zava-nitranga momba ny tontolo ambanivohitra ny volana janoary hatramin'ny volana jona 2023 lasa teo no hanaovana tamberina...

♦ Natolotra nandritra ny fivoriambe nataon'ny Ivom-panajariana an'Antananarivo sy ny manodidina na ny IPAM omaly ny paik'ady hitantanana ny fako hiarahan'ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny kaominina manodidina manatanteraka... ♦ Nitombo ny fanjifan'ny malagasy ny hazandrano. Teo amin'ny 2,16 kg isan'olona isan-taona izany taloha, nanomboka ny taona 2021 sy ny 2022 dia tafakatra 4,26 kg isan'olona isan-taona izany... ♦ Nahazo vokatra tsara amin'ny fanarenana ny ala ao aminy ny vovonam-pikambanana Union Matanjaka any amin'ny Faritr'i Diana... ♦ Nitsidika any Meksika ny lehiben'ny diplômasia amerikana, momba ireo mpitsoam-ponenana mihazo an'i Etazonia no votoanton'ny dia...

Mahaiza mametraka safidy sy manaja ny safidin'ny hafa mba hahatsara ny fiaraha-monina. Ny safidy izay nomen'Andriamanitra ny olombelona eo amin'ny fifandraisan'ny olon-droa na maro dia tokony azahoana vokatra tsara sy mahafa-po eo amin'ny andaniny sy ny ankilany na eo amin'ny mpifankatia na mpivady na mpianaka na mpihavana na mpiara-miombon'antoka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...