Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 5, 1-7. 10)

Ianao no hamahana an’i Israely oloko.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Hebrôna amin’i Davida
ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe:

“Indreto izahay fa taolanao sy nofonao ihany izahay.
Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza,
dia tsy iza fa ianao no mitondra an’i Israely nivoaka sy niditra.
Ary ny Tompo nilaza taminao nanao hoe:

Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andrian’i Israely.

Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Isarely;
ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany,
teo anatrehan’ny Tompo, i Davida mpanjaka;
ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.
Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka,
ary efapolo taona no andro nanjakany.
Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana,
ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra telo amby telopolo taona.
Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema,
hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany.
Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe:

“Tsy ho tafiditra atý ianao,
fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.”

Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.
Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna;
ny tanànan’i Davida izany.
Nandroso nihambony hatrany hatrany i Davida,
ary nomba azy ny Tompo Andriamanitry ny tafika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 20. 21-22. 25-26

Ny Fahamarinana sy ny hatsaram-poko hanjohy azy.

Indray andro, niteny tamin-tsindrimandry Ianao,
nanao tamin’ny voafidinao hoe:
Nanandratra olo-mahery iray Aho;
nanambony olom-boafidy tamin’ny vahoaka.

I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.

Ny Fahamarinana sy Hatsaram-poko hanjohy azy;
ny Anarako hanandratra ny tandrony!
Hapetrako eo amin’ny ranomasina ny tanany anila,
ary eo amin’ny ony lehibe ny tanany anila!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany,
ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:

“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.”

Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe:

“Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna,
ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany
ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra,
sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina
no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay.
Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

21 janoary 2024 — Alahady Tsotra fahatelo Mandavantaona — Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)

♦ Nahavelom-bolo ireo andrianjahonoany matihanina eo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, ny safidin'ny mpitondra ka nanome fitokisana ny Minisitra Rasata Rafaravavitafika. Izy no andrianjahonoany matihanina fahefatra nomena andraikitra tao amin'io minisitera io... ♦ Ho betsaka ny rotsak'oraka any amin'ny faritra afovoany atsinanana anio, ary hanomboka amin'ny alahady izany ho an'ny Faritra Diana... ♦ Mitady hahazo vahana ny fanolanana zaza tsy ampy taona, any amin'ny Faritra Vatovavy...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasy Mpaminany (Jônasy 3, 1-5. 10)

Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamin’i Jônasy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe,
hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao”.

Dia nitsangana i Jônasy, ka nankany Niniva,
araka ny tenin’ny Tompo.
Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra,
fa lalan-kateloana.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy,
ka nitory izy nanao hoe:

“Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!”

Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva,
ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa,
hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
Nahita ny nataon’izy ireo,
sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra,
ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra,
ka dia tsy notanterahiny indray izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 24. 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9

Ny lalanao, ry Tompo, ampianaro ahy.
na hoe: Ny teninao, Tompo ô, no faniloko; ny lalanao, ô ry Ray ô, no tianay haleha.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ny soritrao ampianaro ahy.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
Ianao no Andriamanitra Vonjiko.

Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao
izay efa hatramin’ny fahagola.
Noho ny fitiavanao, ry Tompo,
hadinoy ny otako fahazaza.

Tsara sy mahitsy ny Tompo;
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
ary ampisehoany ny lalany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 7, 29-31)

Mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

Ry kristianina havana,
izao no hevitro:
fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao,
aoka ny manambady ho toy ny tsy manana;
ny mitomany ho toy ny tsy mitomany;
ny mifaly ho toy ny tsy mifaly;
ny mividy ho toy ny tsy manana;
ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra;
fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)

Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.

Tamin’izany andro izany,
rehefa natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa
nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:

“Tonga ny fotoana,
ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.

Nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy,
dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”.

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy.
Nony nandeha kelikely Izy,
dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony.
Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy,
ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambokeliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany,
fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hifanatrika manoloana ny Fitsarana ao Fianarantsoa amin'ny 8 febroary 2024, ireo mpitsabo nandray an-tanana ireo zazavavy kely roa nanaovana fizaham-pahasalamana noho ny resaka fanolanana. Anton'izany ny valin'ny fizahana tsy mitovy... ♦ Hiverina hiakatra Fitsarana indray i Mbola Rajaonah, ny 20 febroary 2024, izany hoe enina andro ao aorian'ny hahavitany ny sazy an-tranomaizina dimy taona nomen'ny PAC... ♦ Efa ahitana ny aretimaso “conjonctivite”, ny sekoly sasany ao an-drenivohitra ankehitriny. Efa mandray fepetra ny fikambanan'ireo sekoly tsy miankina...

Vahaolana amin'ny fifanoherana ny fifampiresahana satria miova isaky ny olona sy arakaraky ny taona ny toetra amam-pihetsiky ny olona iray. Ny toetrandro miova fa tsy miova ny tsara ka mila alalinina isan'izany ny mahatsara an' Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

♦ Niakatra fampanoavana tampoka teny Anosy androany, Andriamatoa Mbola Rajaonah. Naverina eny am-ponja izy, miandry ny fitsarana azy amin'ny 20 febroary 2024, raha tokony efa hivoaka ny fonja mialoha io daty io... ♦ Efa ahitana trangan'ilay aretimaso “conjonctivite”, ny sekoly sasany ao an-drenivohitra amin'izao. Miverina amin'ny fampiharana ny fepetra fisorohana ara-pahasalamana, ireo sekoly tsy miankina, nanomboka androany... ♦ Miato ny fampianarana any amin'ny DREN Diana, noho ny faharatsian'ny toetry ny andro. Mamely mafy any an-toerana ny orambe sy ny tafiotra, efa ho roa andro izao...

Mifandray amin'ny loha-hevi-dehibe voizina ao anatin'ny fandaharana "miaina sy mitia" mandritra ity taona 2024 ity ny loha-hevitra resahina eto. Antoka iray mahatonga fahasambarana sy firindràn'ny fianakaviana ny fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana...

Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...

♦ Nidiny ifotony nanara-maso ny vidim-bary eny an-tsena ny eo anivon'ny ministeran'ny indostria sy ny varotra. Marin-toerana ny vidim-bary ao Antananarivo renivohitra sy ny manodidina... ♦ Nesorina tamin'ny toerany nandritra ny filan-kevitry ny Ministra ny governoran'ny Faritra Atsimo Atsinanana, Melaky ary Analanjirofo... ♦ Nitsidika tampoka teny amin'ny fitsaràna ambaratonga voalohany ny ministry ny Fitsaràna. Ilaina hoy ny Ministra ny fametrahana fepetra hanatsaràna ny asa ankapoben'ny mpiasa... ♦ Tonga tany Ejipta omaly ny fanampiana maha olona ho an'ireo mponina any Gaza sy ny fanafody ho an'ny takalon'aina Israeliana...

Rehefa tsara ny safidy ataonao, tsy maintsy tsara ny fiainanao. Fahasoavana lehibe sy fahatsaram-piainana ny vokatry ny safidy tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tsy manana fahafahana ny Zokiolona : asaina mipetraka ao an-trano mba tsy hanelingelina ny fiaraha-monina. Misy ny fiheverana fa manakorontana ny fampandrosoana ny Zokiolona, tsy maharaka ny fivoaram-piainana, tsy manana vinam-piainana. Ny Zokiolona dia olon-kendry, volafotsy marika ny fahendrena. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...