Bokin’i Mikea Mpaminany (Mik. 5, 1-4a)
Izao no lazain’ny Tompo:
Ary ianao, ry Betilehema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy hanjaka amin’i Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,
hatramin’ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka;
ary ny sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ho mafy fijoro Izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo,
amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony;
ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.
Izy no ho fiadanana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-6. 18-19
Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô,
miverena, mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao, homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 5-10)
Ry kristianina havana,
rehefa tonga tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe:
“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe:
Inty Aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!”
Voalohany aloha lazainy hoe:
Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota,
— dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:
Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao;
ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitra-po izany no nanamasinana antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)
Tamin’izany andro izany,
niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:
“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao;
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Hikatona anio alatsinainy 9 desambra amin'ny 12 ora alina ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidinana Ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina, izay hotontosaina ny alarobia 11 desambra 2024 ; saika fa nahavita ny kandidà tamin'ny faran'ny herinandro teo ...
Mandray andraikitra amin'ny fampisitrahana ny olom-pirenena ny rano ny fidiovana ary ny fanadiovana ny OSCEAH ; nihaona tamin'ny Kandidà ho ben'ny tanàna taminà Kaominina miisa 30 ity firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana ity...
Marihina anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ady amin'ny kolikoly. Loha-hevitra : Miombona amin'ny tanora hanohatra ny kolikoly, manangana ny ampitso hanjakan'ny fahitsina...
Tsy misy afaka milaza fa tena mahay mivavaka, fa ezaka mitohy mandrakariva izany, ny Mpianatr'i Jesoa aza nifanerasera naharitra taminy dia mbola nangataka ihany hoe " mba ampianaro mivavaka izahay". Tamin'izany andro izany, ny "Rainay any an-danitra" araka ny voalazan'ny Evanjely no nampianarin'i Jesoa, fa ankehitriny dia maro ireo endriky ny vavaka ampianarin'ny Eglizy... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Maty ny Fiangonana satria matahotra hiteny ny marina sy mazava ny mpiandry ondry ; matahotra ny haino aman-jery sy ny hevi-bahoaka ireo mpiara-miasa amintsika ; ny mpiandry ondry tsara dia sahy manolotra ny ainy hamonjena ny ondriny. Tokony hangovitra ireo Eveka rehefa miheritreritra ny fahanginan'izy ireo manoloana ny tsy rariny sy ny heloka. Mila beazina ny olona mba ho olom-pirenena vanona... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-2 fiavian’ny tompo — taona D : matokia, mifalia fa mpamonjy andriamanitra ; Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra. Ny fitorian'ny Joany ny Batemy dia amin'ny feo avo, i Joany dia ilay feo avy any anefitra, ako re avy any anefitra, ny ako dia avy amin'ny teny, ary ny teny dia i Kristy hiseho nofo aman-dra, io no manambara fa mpialoha lalana an'i Mesia i Joany. Ny endriky ny Batemy fibebahana dia izay nambaran'i Joany hoe : amboary ny lalan'ny Tompo. Miha tany efitra ny fiainantsika noho ny tsy fahampian'ny Vavaka sy ny fanadinoina an'Andriamanitra...
Mila manana faharetana isika araka ny fampianaran'i Jesoa ao amin'i Masindahy Lioka 11, 9 "ilay fanaovana lemozy amin'ny vavaka. Maria dia nanaiky ny sitram-pon'Izy Tompo ary fankatahaka izy ; ny herin'ny "ENY" nataon'i Masina Maria tao anatin'ny hatanorany dia manaitra mandrakariva. Ny vavaka iarahantsika amin'i Masina Maria dia tsy very maina... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
Efa hatrany am-boalohany mihitsy no efa niantsoan'ny Fiangonana an'i Masina Maria ho renin'Andriamanitra. I Masina Maria no ohatra lehibe ho antsika olombelona rehetra ato anatin'ny Fiangonana. Ny prefasy atao mandritra ny fankalazana ny 8 desambra dia manambara amintsika ilay reny madio tsy azom-pentina, ilay virijiny nofidin'Andriamanitra hiteraka ny zanany... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
Nanatevina ny fahalalany momba ny fiovan’ny toetr’andro ireo mpikamban’ny filankevi-pitantanan’ny Réseau SOA miara amin’ireo tanora tompon’andraikitra ao aminy. Fihofanana natao Ilafy ny 20 Novambra 2024 ka ireo iraka avy amin’ny AFDI, fikambanan’ny tantsaha avy any Frantsa, no nizara ny traik’efa sy ny fahalalana. Noresahan’ireto iraky ny AFDI ireto ohatra ny antony mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro, ny fisehoany amin’izao fotoana izao, ny fiatraikany amin’ny famokarana eran-tany ary isan’izany ny eto Madagasikara, ny tokony hatao hiatrehana ny voka-dratsiny...
Ao anatin'ny fiatrehana ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna sy mpanolontsaina isika, zava-dehibe ny fanentanana manokana mahakasika ny latsa-bato voadinika sy ny tamberin'andraikitry ny olom-boafidy. Ao anatin'izany indrindra no nanantanterahana ny famelabelarana mahakasika an'ireo lokan'ady tokony ho atrehina mba hanànana fifidianana tomombana sy rafitra demôkratika sahaza amin'ny alalan'ny fandraisan'anjara ny tsirairay ho fandrafetana fitantanana mangarahara sy mahomby eny anivon'ny vondrom-bahoaka isan'antana-tohatra... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Toy ny fandaharana voajanahary dia manan-dray sy reny ny zaza. Toy izany koa ny fandaharana araka ny fahasoavana : manana an'Andriamanitra Ray sy i Masina Maria ho reny ny zanaky fiangonana. I Masina Maria dia tsy misaraka na oviana amin'ireo zanany na ety an-tany na miala amin'ity fiainana ity. Raha misy mahatsiaro ho irery dia aoka hitadidy izy fa i Masina Maria eo foana hanampy azy... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco