Vakiteny voalohany
Bokin’i Mikea Mpaminany (Mik. 5, 1-4a)
Avy aminao no hipoitra Ilay hanjaka amin’i Israely.
Izao no lazain’ny Tompo:
Ary ianao, ry Betilehema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy hanjaka amin’i Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,
hatramin’ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka;
ary ny sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ho mafy fijoro Izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo,
amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony;
ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.
Izy no ho fiadanana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-6. 18-19
Ry Tompo Andriamanitra ô, ampodio amin’ny toetra taloha izahay, Ary ampamirapirato ny Tavanao dia ho voavonjy izahay.
Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô,
miverena, mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao, homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Vakiteny faharoa
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 5-10)
Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao.
Ry kristianina havana,
rehefa tonga tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe:
“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe:
Inty Aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!”
Voalohany aloha lazainy hoe:
Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota,
— dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:
Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao;
ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitra-po izany no nanamasinana antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)
“Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?”
Tamin’izany andro izany,
niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:
“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao;
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.