Ny fahefa-miatrika ireo dona mianjady amin'ny fiainantsika zanakolombelona, ao anatin'ny fanomezana hasina hatrany ireo fahasamihafana ananantsika, dia ilana paik'ady. Fanabeazana manomboka eo amin'ny ankohonana, avela miatrika ny ankizy fa tsy saikena foana : izany no fanabeazana : mampianatra ny olona hisaina. Hahatsiaro mandrakariva fa tsy misy olona tonga lafatra. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa tsy mampitondra zavatra tsy zaka Andriamanitra. Mila mamantatra sy mahatsapa ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra anananao. Mila manana toe-tsaina mahay manaiky sy mandanjalanja. Mila mahay mihaino ny hafa. Hotsaroana mandrakariva ihany koa fa manam-panahy ny olombelona : mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.

07 jona — Tany amin’ny faraparan’ny taonjato faha XI tany ho any i Gilbert no teraka tao Auvergne. Anisan’ireo mpanara-dia an'i Masindahy Norbert tao amin’ny fikambanana  Ordre des Prémontrés moa izy. Miaramila mpitaingin-tsovaly tao amin’ny tafiky ny mpanjaka Louis VI i Gilbert ary nandray anjara ihany koa tamin’ny ady faharoa ho fanafahana ny Tany Masina ny 1147–1149, niaraka tamin’ny mpanjaka Louis VII.

Mifantoka amin'ny fitantarana ny hafatra nomen'ny Papa François ho an'ny mpikirakira ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona tamin'ity taona 2020 ity. Ankalazaina eto Madagasikara isaky ny alahadin'ny Trinite Masina ny fankalazana ny andro maneran-tany ho azy ireo ka mifandraika amin'io hafatry ny Ray masina io ny fanentanana entin'i Mgr Fulgence Rabemahafaly Arsevekan'i Fianarantsoa, Filohan'ny Vaomietan'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara.

♦ Andrasana ho voafaritra amin'izao faran'ny herinandro izao ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2020... ♦ Mitaky ny handrosoana ny tetiandro hanombohan'ny fiotazana lavanilina 2020 ny mpandraharaha sy ny olom-boafidy any amin'ny faritr'i Sava... ♦ Mananontanona an'i Madagasikara ny loza samihafa, hoy ny Ministra tompon'andraikitra, manoloana fanamarihana ny andro eran-tany momba ny tontolo iainana...

06 jona — I Masindahy Norbert dia teraka tao Xanten, tanana kely ao Rhénanie, manodidina ny taona 1080. Taranaka amperora ny ray aman-dreniny avy ao Allemagne sy Lorraine. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra tao am-piangonana nefa tsy nahatohitra ny fironany tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraikitra noraisiny izany.

♦ Olona 18 hafa indray no mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika, araka ny tatitra omaly... ♦ Tsy ho taona fotsy ity taom-pianarana ity ho an'ny sekoly katôlika, ezahana ho vita ny fandaharam-pianarana... ♦ Mbola fepetra maro no takiana vao afaka hisokatra ny lanitr'i Gasikara, hoy ny Ministry ny Fitaterana sy ny Fizahan-tany...

♦ Olona 18 vaovao indray no fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19, araka ny tatitra nivoaka androany... ♦ Misy ambadika pôlitika ny savorovoro tany Toamasina afak'omaly, raha ny tatitry ny Solombavambahoaka avy any Toamasina I... ♦ Tao aorian'ny disadisa nifanolanan'ny mpianatra avy amin'ny Grand Sud sy ny FITEFA (Zanak'Avaratra) any amin'ny Oniversiten'i Toamasina dia nisy ny fampihavanana azy ireo...

05 jona — I Masindahy Boniface resahana eto dia ilay arseveka tao Mayence, maty martiry tamin’ny 754. Teraka tao Crediton tao Angletera tamin’ny 680 i Masindahy Boniface fa mbola Winfrid moa no anarany tamin’izany. Nisy aretina nahery vaika nahazo azy tamin’izany fotoana izany. Izy anefa efa naniry handeha hiditra hitoka-monina fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny.

Alatsinainy 08 jona 2020 — Masindahy Jacques Berthieu — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21 — Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny amin'i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny fanahin'Andriamanitra.

♦ Mbola tsy voafaritra hatramin'izao ny datin'ny fanadinam-panjakana na dia efa tontosa aza ny fisafidianana farany ny laza adina ho an'ny CEPE 2020... ♦ Manambana ny handray fepetra ambonimbony kokoa ny Fikambanan'ny Taxi FATAR raha tsy misy ny vahaolana avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Olona telo kosa no maty ary telo hafa naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Moramanga...

Alahady 07 jona 2020 — Ny Trinite Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-18 — Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.

♦ Niampy iray indray ny olona maty tsy nahatohitra ny Coronavirus. Renim-pianakaviana iray bevohoka izay voatery nodidiana izy io... ♦ Nesorina teo amin'ny toerana maha Ministry ny Fanabeazam-pirenena azy Ramatoa Rijasoa Andriamanana, noho ilay resaka vatomamy ho an'ny mpianatra... ♦ Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any Ambovombe Androy...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...