Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zanaka dia hanana ny fahavanonam-piainana izy. Ho lavitry ny herisetra sy ny risoriso izay manapotika ny fiaraha-monina izy ireo raha voataiza hanaraka ny lalana tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Raha tian'ny ray aman-dreny ny hanana taranaka vanona sy mendrika dia mila manao ezaka ny rehetra mba hanome fanabeazana ao anatin'ny fahamarinana. Ny fahamarinana dia antoka iray mampifanakaiky am-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ilaina eo amin'ny fiainana ny fitiavana sy ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Ireo telo ireo no mitondra ho amin'ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fisolokiana dia miteraka fahasahiranana sy fanimbana ary fanapotehana ny fiaraha-monina, ny tokan-trano ; mety hanimba ny sehatry ny asa ary mety hiafara amin'ny sehatry ny firenena izany olana izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fanambakàna dia miseho amin'ny endriny maro noho ny tsy fahalalana. Ny fanambakàna dia manimba ny rivotry ny fiaraha-monina, na eo amin'ny olon-droa na eo amin'ny fianakaviana na eo amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fametsifetsena dia azo adika ihany koa hoe " famitahana, fampanantenana poakaty. Ny fametsifetsena dia hita eo amin'ny fiaraha-monina ary tonga amin'ny fahapotehan'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fanararaotana dia mety ho amin'ny lafiny tsara fa misy koa ireo manararaotra amin'ny ratsy. Koa araraoty ny andro azo hanaovana soa. Tsy lavitra izany ny fahasarotam-piaro, indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Maro ny antony mety hahatonga ny sofina hanana olana amin'ny fandrenesana. Manongilana loha sy sofina, na mamerina manontany matetika raha misy miteny aminy ny olona manana olana amin'ny fandrenesana. Mila fitiliana akaiky amin'ny alalan'ny "audiometrie" io olana io. Mety ho tratrany ny sokajin-taona rehetra. Misy karazany roa amin'ny ankapobeny : voalohany, olana eo amin'ny fidiran'ny feo ; faharoa, olana eo amin'ny fandraisana ny feo. Fa mety ho izy roa miaraka koa. Ananan'ny manam-pahaizana manokana momba ny sofina vahaolana daholo ireo. Ilaina ny manatona mpitsabo raha vao misy olana ny fandrenesana. Tsy fisikotra ny sofina, tsy tsara ny mihaino feo mafy loatra fa mety hanimba ny sofina.
Tsy loza mitatao fa efa loza mihatra, mandoza, manimba eny amin'ny fiaraha-monina sy ny isam-batan'olona ny fiparitahana sy ny firongatry ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Misy atsindrona, misy nyt fohana ary misy ny hohanina. Simba ny ati-doha sy ny taova maro hafa ao amin'ny vatana. Vetivety ny fiankinan-doha. Sarotra ary manahirana ny fialana aminy. Manana andraikitra isika olom-pirenena tsirairay na iza ianao na iza hiady amin'izany mba hananana taranaka sy firenena vanona.
Rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina toa izao dia isan'ny taova mora andairan'ny aretina ny orona. Ao anatin'ny orona dia ahitana kambon'orona izay ilaina, ary misy karazany telo ireo : kambon'orona ambany, ampovoany ary ny ambony. Misy lavaka miisa roa amin'ny faritra ambonin'ny orona, ireo dia mampifandray ny orina amin'ny tenda sy ny sofina. Ahitana retsika mifandray amin'ny atidoha mba ahafahana mandray sy mamantatra fofona. Ny asan'ny orona dia ifohana rivotra.
Tratra ny fanamby napetraka tamin'ilay tetik'asa "Tontolo voajanahary lovain-jafy amin'ny ilany Atsinanan'i Madagasikara" raha ny momba ny fahafahan'ny tantsaha niatrika ny fiovan'ny toetr'andro nofaritana tamin'ny taona 2022. Tetik'asa madinika miisa 174 no natao nandritra izany. Tokantrano 17.800 mahery no nisitraka fampiofanana momba ny teknika fambolena lovain-jafy. Nihoatra lavitra tamin'ny tanjona nofaritana no tratra, taha hatrany amin'ny 153%. Amporisihana ireo tantsaha hanao ny voly mampidi-bola sy voly atao sakafo mba hisorohana ny fanapotehana ny ala hanamaivanana ny fahasahiranana vokatry ny fiatraikan'ny COVID-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco